Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Fanafihana mitam-piadiana – Tovovavy 16 taona niharan’ny fanolanana tambabe

Mirongatra ny asan-jiolahy na dia amin’ny andro antoandro aza any Toamasina, indrindra fa any  amin’ny Cité Valpinson sy Morafeno. Nitrangana fanafihana intelo misesy ireo toerana ireo, ny faran’ny herinandro lasa iny. Ny sabotsy antoandro teo dia fiara iray no very bateria rehefa nipetraka teo an-tokontany, tao amin’ny fokontany Cité Valpinson no nisehoan’izany. Ny alin’io ihany dia tokantrano iray no nidiran’ireo mpanafika an-keriny. Tamin’ny filaminana tanteraka no nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Nesorin’izy ireo hatramin’ny vy maranitra amin’ny fefy, ka teo izy ireo no niditra, araka ny vaovao voaray. Ny tompon-trano tsy naheno na inona na inona vokatry ny fisian’ny rotsa-korana tamin’izay fotoana izay. Lasa ihany koa ny baterian’ny fiara nipetraka teo an-tokontany. Nikasa hanokatra ilay fiara izy ireo no naneno tampoka ny « alarme » ka rifatra nandositra.

Ny alahady 18 hifoha alatsinainy 19 oktobra, tokony tamin’ny 1 ora, tokantrano iray hafa, teny Morafeno 14/33 no niharan’ny hetraketrak’ireo jiolahy. Ankoatra ny fandrobana nataon’ny olona efa-dahy tsy nisaron-tava dia tovovavy iray 16 taona zanaky ny tompon-trano no niharan’ny fanolanana tambabe. Simba tanteraka ilay ankizivavy tamin’ny fizahana nataon’ny mpitsabo.

Antsasak’adiny taorian’ny fanafihana vao tonga ny Fip saingy efa lasa lavitra ireo jiolahy. Olona iray ahiahiana no efa nosamborin’ny mpitandro filaminana, omaly maraina.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre