Fitondrana tsy tan-dalàna
Nailik’ireo mpizaika tany amin’ny fitsarana ny rihitra rehetra mikasika ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara. Toa milaza izany fa tsy mahatoky ny fametrahana ny tany tan-dalàna izy ireo ary mametraka ahiahy ny amin’ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Mora ny mifanilika andraikitra satria tsy misy fandriampahalemana vitan’ny sehatra tokana izany fa tsy maintsy misy sampan-draharaha marobe miara-misalahy amin’ny fametrahana azy. Hanao inona tokoa moa ny fitsarana raha mbola misy ny teritery sy ny tsindry bokotra maro samihafa mianjady aminy. Anisan’ny porofo iray maneho izany ny fanagadrana ireo rehetra tsy mifanaraka amin’ny mpitondra fanjakana amin’ny ankapobeny na olom-bitsy eo anivon’ny Governemanta. Ireo mpitarika sendika sy fikambanana, na ihany koa mpanao gazety dia efa marobe no naiditra am-ponja tamin’ny fomba azo iadian-kevitra tsara ary avy eo vitavita ho azy teny ny raharaha. Ny fitsarana no nampigadra saingy kosa mety nisy ny baiko azon’izy ireo tany ambadika tany. Rehefa misy toy ireny dia mangingina ny sehatra rehetra fa rehefa tsy mahovoka manoloana ny asan-jiolahy dia ny fitsarana irery ihany no anilihana ny rihitra rehetra.
Mbola porofon’ny teritery azon’ny fitsarana ihany koa ny fisian’ny tsy maty manota eto amin’ny firenena. Ankoatra an-dRatsiraka sy Ravalomanana izay samy tsy mbola voafafa heloka nefa miriaria am-palalahana eto amin’ny firenena sy any ivelany dia marobe ireo mpanao politika sy olona manana ny lazany tokony ho gadraina nefa tsy afaka manao izany ny fitsarana. Eto amintsika rahateo mbola tsy mitsangana ary tsy ao anaty tetikasan’ny fitondrana mihitsy ny hanangana ny fahefan’ny fitsarana. Rehefa migalabona mantsy ny fahefana mpanatanteraka dia miolomay mametraka ny fahefana mpanao lalàna ny Fanjakana nefa tsy mba hita taratra mihitsy ny an’ny fitsarana. Mbola ao anaty Governemanta, izany hoe fahefana mpanatanteraka sy mpandray baiko ny minisiteran’ny Fitsarana, ka tsy hanana ny fahalalahany na oviana na oviana.
Any amin’ny hala-botry sy ny fanendahana madinididika ny mpitsara no afaka manao ny asany am-palalahana fa raha vao miditra amin’ny raharaha mafampana dia hita ho sahirana noho ny antony maro samihafa. Anisan’izany ohatra ny fanenjehana ireo mpanao trafikana andramena. Hita fa na eo aza ny finiavan’ny fitsarana ampihatra ny lalàna dia maro ny tsindry sy ny olana ara-teknika tsy hahafahany manatanteraka izany. Hatreto tokoa mantsy dia saika mitodika betsaka amin’ny lonilony sy valifaty politika ny ady amin’ny mpanondrana andramena. Lazaina fa mpanao izany avokoa izay mpandraharaha rehetra tsy dia mifanara-tsaina amin’ny manam-pahefana.
Toy izany ihany koa ny asan-dahalo. Tsy ireo malaso mitam-basy sy mpanafika mangalatra omby mivantana fotsiny no mila enjehina fa ireo mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Ny mahagaga dia ny samy mpitandro filaminana indray no mifandramatra sy mifanendrikendrika nefa ny dahalo no fahavalo. Miitatra any amin’ny olobe sy solombavambahoaka, ary ny mpiasan’ny fitsarana ny fanendrikendrehana maro samihafa. Ireo rehetra ireo dia maneho fa tsy ny fitsarana irery no fototry ny olana tsy mampandeha ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana eto amintsika fa miainga amin’ny rafitra any an-tampony mihitsy.
Tsy ny fitondram-panjakana akory, sanatria, no manao ny tsy fandriampahalemana saingy izy kosa no tsy mahavita mametraka paik’ady mazava hanadiovana ny sehatra rehetra voakasik’io. Tsy mahavita ny asany ny mpitandro filaminana satria ireo tena zatra ady sy afaka mifampitana tsara amin’ny olon-dratsy dia nofantenana hiaro ny mpitondra fanjakana fa tsy alefa hamongotra ny dahalo sy jiolahy izay mampijaly ny vahoaka.Hita taratra izany eto an-drenivohitra rehefa misy fihetsiketsehana dia miaramila sy zandary ary polisy an-jatony no tonga mandrava izany. Rehefa misy anefa ny fanafihana mitam-piadiana dia polisy na zandary vitsivitsy no tonga rehefa lasa lavitra ireo jiolahy.
Tsy ny fitsarana na ny mpitandro filaminana no tsy mahay ny asany na koa manao kitoatoa fa ny fomba fandrindrana ny asan’izy ireo no misy tsy fahatomombanana. Raha te hametraka Fanjakana tan-dalàna dia ny fitondrana tan-dalàna aloha no tsara hamafisina.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







