Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Lozam-piarakodia – Zazavavy 12 taona maty nohitsahin’ny 4×4

Nandriaka ny rà. Zazavavy kely 12 taona no maty voahitsaky ny fiara tsy mataho-dalana, omaly, tao an-tampon-tanànan’i Fenoarivo Atsinanana. Handeha hamonjy lakilasy maraina, hiditra amin’ny 8 ora, izy izao niharan-doza izao. 4×4 hihazo ny tanànan’i Toamasina ity nandona azy ity raha nanapaka ny arabe ilay zazavavy. Nipitika lavitra ny toerana nisehoan’ny loza noho ny dona mafy nahazo azy ity zazavavy ity raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso ny loza. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly ilay niharan-doza, kanefa namoy ny ainy nony tonga kelikely tany noho ny hamafin’ny ratra nahazo azy sy ny habetsahan’ny rà very taminy.

Manoloana  ny sekoly fianaran’ilay zaza moa no niseho ilay loza ka nandray ny andraikiny feno amin’ny fikarakarana ny razana ny fari-piadidiam-pampianarana ao Fenoarivo Atsinanana manoloana ity tranga ity. Ny mpamily ilay fiara kosa efa eny amin’ny mpitandro filaminana miaraka amin’ny fiarany natao famotorana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre