Sainte-Marie – Mpanjono iray natelin’ny ranomasina
Mpanjona iray ao amin’ny fokontany Lokinjy no tsy hita popoka ny alatsinainy teo. Handeha hanjono no nialany tao amin’ny trano fonenany ny androtr’io ary tsy niverina intsony. Jono misitrika no tena iandraiketan’ny lehilahy ity, araka ny fanambaran’ny fianakaviany. Niahiahy tamin’ny tsy fodiana io ny havany satria tsy mba fanaony mihitsy izany. Natao ny fikarohana azy ny alin’ny alatsinainy io fa tsy nahitam-bokany izany ka voatery niverina teny an-dranomasina araka izany ny fokonolona omaly talata. Tamin’io fotoana io no nahitana ny ampahany tamin’ireo fitaovana nampiasainy ka nentina namaritana ny toerana mety nilatsahany ka omaly ihany dia hita ny razana izay efa fa simba tanteraka tamin’ny fampiakarana azy. Natolotra ny havany avy hatrany ny vata mangatsiakan’ilay mpanjono. Fantatra fa ankoatra ny fanjonona misitrika dia isany kalaza amin’ny fanaovana baolina kitra ihany koa ity lehilahy namoy ny ainy ity.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







