Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Isotry – Sady voaendaka no voadaroka ilay mpitaingina môtô

Lehilahy iray 30 taona any ho any, mpanambotra fiara, no voaendaka  teny Isotry manakaiky ny fivarotana hazo, ny alatsinainy hariva teo. Miisa telo lahy  ireo olon-dratsy ary tsy vitan’ny nendahana fa mbola nodarohany ihany koa ity ranamana ity. Araka ny loharanom-baovao teny an-toerana dia nitondra môtô skotera izy raha nosakanan’izy ireto tamin’ny vato be teo ampovoan-dalana ka tsy afa-nandeha mihitsy. Tsy nampoizin’ilay lasibatra rahateo ny fisian’ireo vato be dia be ireo ka nianjera avy hatrany izy.

Vantany vao nidaraboka tamin’ny tany ilay mpitaingina môtô dia tamy avy any ireo jiolahy nidaroka azy ka torana tsy nahatsiaro tena ity farany. Nohararaotin’ireto olon-dratsy nalaina amin’izay ny zavatra rehetra teny amin’ilay mpitondra kodiaran-droa ka anisan’izany ny vola karama azony ny androtr’io. Tsy nijanona hatreo anefa izy ireto fa mbola nentiny ihany koa ilay môtô skotera. Olona iray nitondra fiara sendra nandalo, nahita ity lehilahy ity teo amin’ny tany, no niantra ary nitondra azy teny amin’ny hopitaly.

Raha ny filazan’ireo olona monina eny an-toerana, tsy azo aleha mihitsy iny faritra iny rehefa maizina ny andro, ary ny olona mandeha irery no tena lasibatr’ireo jiolahy. Saika isan’andro no fantatra fa misy olona voaendaka amin’iny toerana iny.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre