Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Trano telo nasesin’ny olon-dratsy

Trano miisa 3 indray no nasesin’ny jiolahy tafihana tany Toamasina, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Mandry andriran’antsy noh izany ny mponina any an-toerana manoloana ny asa ratsin’ireo olon-dratsy ireo. Raha tao amin’ny fokontany Andranomadio 11/41 dia tokantrano roa no nidiran’ireo mpanafika mitondra antsy lava an-keriny. Nitovy ny fomba fanafihan’izy ireo ny lasibatra. Tamin’ny trano iray, nandrahona ny tompon-trano izy ireto  raha vao tafiditra ary nifaoka ny entana rehetra. Tsy sahy nanohitra kosa ireo voatafika tamin’izany fotoana izany ka nanararaotra tokoa ireo jiolahy.

Ny tokantrano faharoa indray niharan’ny fandrahonan’ny olon-dratsy miisa efatra. Araka ny vaovao voaray dia mbola tsy tafiditra akory fa misikotra ny varavarana aty ivelan’ny trano izy ireo no mampihorohoro ny tompon-trano mba tsy hiantso vonjy.  » Aza miantso vonjy eo fa vonoinay ianao androany ». Tsy nanakana ny lasibatra anefa izany fampitahorana izany ka tonga ara-potoana teny an-toerana ny Fip. Rifatra nandositra ireo jiolahy vao naheno ny anjomaran’ireo mpitandro filaminana. Ora maro taorian’izay, mbola norarafan’izy ireo tora-bato indray ny vavahady nisy ilay trano saika nidiran’izy ireo io, araka ny loharanom-baovao hatrany. Mbola ny alin’ny alatsinainy hatrany dia trano fisoko iray notafihan’ny

andian-jiolahy, tao amin’ny fokontany Ambolomadinika. Nataon’izy ireo tao anaty gony ireo akoho, ary bisikileta iray teo an-tokontany  koa lasan’ireo mpangalatra. Tsikaritry ny fokonolona  anefa izany ka raikitra ny fifanenjehana. Tafaverina tamin’ny tompony ny entana nangalarina fa ireo jiolahy kosa tafatsoaka.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre