Ampefiloha Cité – 30 minitra dia dibo-trano
Ampefiloha Cité no resahana eto fa tsy Ampefiloha Ambodirano akory. Ity fokontany farany ity dia efa mandava-taona no difotry ny rano ary mba nidina teny ihany vao haingana ny ben’ny tanàna vaovao fa ohatry ny nijerijery fotsiny dia niala ilany, araky ny fitenin’ny tanora. Maro tokoa mantsy ny olana mitranga amin’ity fokontany farany voalaza etsy ambony ity, izay fantatry ny maro fa fonenan’Ingahy Ramora Favori. Ankoatry ny rano maloto dia eo ihany koa ny sekoly fanabeazana fototra tsy zarizary, ny paompin-drano tokana ilaharan’ny mponina efa mahatratra an’aliny maro, ny tsy fandriampahalemana, ny fako mivangongo, sy ny hafa tsy voatanisa. Be ihany koa ny mpitantana raharaham-panjakana nandalo teny, ohatra amin’izany ny minisitry ny Mponina ankehitriny, saingy namangy indray mandeha monja dia tsy tazana intsony.
Izay ny momba an’Ampefiloha Ambodirano, fokontany farany andrefana indrindra amin’ny tanànan’Antananarivo, fa ny tena nahavalalanina ny maro dia ny nahita an’Ampefiloha Cité tanaty ranom-potaka omaly hariva raha iny nirotsaka kelikely iny ny orana. Azo lazaina fa tsy ampy 30 minitra akory avy eo dia efa hatreny am-poto-pe ny rano, amin’izay ilay rano manana lokon’i Betsiboka rehefa andro fahavaratra iny. Dia tena mena an’izany rano izany, hany ka maro no nanontany raha efa misy lakana eo akaikikaiky eo hiampitàna. Porofo indray izany fa dia tena tsentsina tanteraka ireo lakandrano tokony hivarinan’ny ranon’orana eto Antananarivo ka moa va tsy toy ireny tamin’ny fotoanan’ny tondra-drano tamin’ny herintaona ireny ny teny Ampefiloha Cité. Ny tany an-trano tany aloha izany dia inoana marimarina fa tsy maintsy eny amin’ny fandriana … superposé daholo – amin’ilay ao ambony – ny rehetra no matory omaly alina. Ny olana fanampiny dia vao manomboka ny fotoanan’ny fahavaratra isika io, ny voankazo manga aza mbola tsy betsaka eny an-tsena. Ka asa izay hahazo amin’ity taona ity satria ny eny amin’ny faritra avo ihany koa mahasadaikatra ny mankeny, sao indray koa miara-misosa amin’ny ranontany eo !
J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







