Asa any ivelany – Tovovavy telo kasaina haondrana an-tsokosoko
Vehivavy miisa telo indray no saika alefa an-tsokosoko any Mayotte. Tovovavy avy any Andapa fa monina eto an-drenivohitra no lasibatry ny olona telo lahy tany amin’ny distrikan’Ambanja. Nilaza ireto farany fa mandefa olona hiasa any amin’ny Nosy Mayotte ka lelavola mitentina hatrany amin’ny 45 tapitrisa ariary no aloa. Roboka tamin’ izany izy ireo ka nandoa ny ampahan’ny vola mba hikarakarana ny antontan-taratasy rehetra mahakasika azy ireo. Rehefa nozohina akaiky anefa ny zava-nisy dia fikasana hanondrana an-tsokosoko ireto tovovavy ireto izany.
Araka ny fantatra dia natobin’izy telo lahy tao amin’ny trano iray ao amin’ny fokontany Marosely any Ambanja izy ireo miandry ny fotoana hiaingana. Teo am-piandrasana izany indrindra ireo lasibatra no naheno siosion-dresaka fa misy hevitra ambadika miaro vono olona ity raharaha ity. Nandositra avy hatrany izy ireo ary nampandre ny mpitandro filaminana. Niditra an-tsehatra ireto farany nisambotra azy telo lahy mpiray tsikombakomba ary natolotra ny fitsarana atao famotorana.
Naiditra am-ponja vonjimaika izy ireto ary amin’ny fiandohan’ny volana novambra ho avy izao no hiakatra fitsarana indray. Araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra ny filaminana any an-toerana dia efa ela no nandrenesana ny fisian’io trangan-javatra io fa izao vao tratra ireo atidoha miketrika izany.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







