Vous êtes ici :

Mardi 07 Mai 2024

ombre

Andramasina – Tovovavy 15 taona nitoe-jaza, maty novonoin’ny sakaizany

Tovovavy vao 15 taona monja ary fantatra fa nitoe-jaza manodidina ny efa-bolana no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, tany Ambodimanjaka, kaominina Alarobia Vatosola, distrikan’Andramasina. Tsy fantatra ny fotoana nisehoan’ny loza fa tamin’ny talata lasa teo no hitan’ny fokonolona tanaty lavabato, tao Antavibe, ny fatiny.

Hatairana ny an’ireo fokonolona raha nahita fatim-behivavy izay tena nampihoro-koditra tanteraka. Feno ratra ny vatany iray manontolo ary ny akanjo nanaovany ihany no namatorana ny tanany sy nanapenana ny vavany mba tsy ahafahany mikiakiaka mandra-pahatapitry ny ainy. Nampandre ny tompon’andraikitry ny tanàna avy hatrany ny olona, ireto farany indray avy eo no nampilaza ny zandary sy ny mpitsabo hanao fizahana ny razana.  Nandritra ny fizahana no nahalalana fa bevohoka io tovovavy io, feno ratra sy mangana ny masony ary nivoa-drà ihany koa ny vavany sy ny orony. Fantatra ihany koa fa nokendaina tamin’ny akanjony ihany izy satria mbola tavela teo amin’ny tendany ilay lamba. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa ny sakaizany tokony ho 20 taona ihany no nahavanon-doza fa mbola tsy fantatra kosa ny antony nahatonga azy haninjitra ny tanany ka nahavita izao habibiana tsy roa aman-tany izao.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre