« High tech expo » – Fifanakalozan-kevitra momba ny teknolojia
Nifarana omaly alahady 25 oktobra ny fampirantiana « High tech expo », izay naharitra telo andro, notanterahana teny amin’ny Hotely Carlton, Anosy. Voaporofo nandritra ity hetsika ity fa manana ny laharana tsara i Madagasikara, amin’ny fampiasana ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana raha eo amin’ny kaotinanta afrikana no jerena. Nampiavaka ny fotoana ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina momba ny teknolojian’ny fifandraisana. Sehatra izay nanasongadinana ny traikefa sy ny fahaiza-manao ny tanora malagasy.
Nisy noho izany ny tosika fanomezana torolalana ireo tanora nandritra ity hetsika ity mba hidirany amin’ny sehatry ny asa. Ny firoboroboan’ny teknolojia izay voaporofo tamin’ity fampirantiana ity ihany fa manokatra asa ho an’ny tanora. Mivoatra manaraka izany ihany koa ny fiitaran’ny saina sy ny fikarohana ataon’ny tanora sy ny ankizy amin’ny fampiasana izany. Fantatra ihany koa fa mahasahana ny maro lafy amin’ny fampandrosoana ny firenena ny teknolojia.
Ny « High tech expo » dia hetsika lehibe izay nokarakarain’ny Coreali sy ny 4G Telma, izay teo ambany fiahian’ny ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny teknolojia vaovao.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







