Fampanantenana poak’aty !
Nitombo iray indray ny fampanantenana tsy tanteraka nataon’ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. Tapaka nandritra ny fotoana naharitra indray mantsy ny herinaratra sy sabotsy sy zoma teo raha nolazaina fa hifarana tanteraka ny 23 oktobra ny delestazy. Fanazavana ara-teknika no nomen’ireo mpitantana eo anivon’ny JIRAMA ary nohamafisin’ny mpitondra politika fa hifarana hatreto ny fahatapahan-jiro satria efa vita ny fanamboarana ireo milina mpanodina herinaratra nisy fahasimbana. Tsy izay anefa no nitranga fa nitohy hatrany ny fanelingelenana vokatry ny delestazy.
Tena raharaha manahirana sy manala-baraka ny fitondram-panjakana ary azo andrefesana ny tsy fahaiza-mifehy ny fampanantenana ity resaka JIRAMA ity. Tsy ny delestazy ihany mantsy no mampikaikaka ny mponina fa ny haratsin’ny tolotra omen’ity orinasa ity amin’ny ankapobeny mihitsy. Tsy fantatra intsony izay fomba fikajiana ny faktiora fa toa manao izay tiany atao fotsiny ny eo anivon’ny JIRAMA. Misy ihany ireo tonga mangata-panazavana eny amin’ny masoivohon’ity orinasa ity saingy tena mampiteny ny moana ny fihetsik’ireo mpiasa. Ao amin’ny JIRAMA Mahavoky izao dia misy ramatoa lehibe iray mpandray olona ary tena tsy manaja ireo mpanjifa mihitsy. Sady mihinana mofo, no mitelefaonina, na ihany koa mangata-dresaka amin’ny mpiasa hafa izy nefa misy mandray mpanjifa. Ahodinkodiny eo ny resaka ary rehefa tsy manaiky lembenana ireo mpanjifa manao fitarainana sy mangata-panazavana dia alefany miakatra any amin’ny birao izay tsy misy olona miasa akory.
Tena manao tsinontsinona ny mpanjifa ny ankamaroan’ny mpiasan’ny JIRAMA ary misy ihany koa no toa manao sabotazy amotehana an-kolaka ity orinasa ity mihitsy. Ao Mahavoky ihany dia fandrotsaham-bola roa fotsiny no misokatra isan’andro nefa ny laharana hatreny an-tokontany. Ny zoma teo izao dia raikitra ny fifamaliana ary saika nihafara tamin’ny fifandonana teo amin’ny mpiasan’ny JIRAMA sy ny mpanjifa sasany mihitsy noho ny tsy fifanajana sy ny tsy fahaizana mandamina fandraisan’olona. Lasa henatra ho an’ny firenena ny JIRAMA ary vesatra ho an’ny vahoaka satria ny tolotra mikoroso fahana nefa ny vola aloa mitombo hatrany.
Tsy fahaiza-mitantana avy any ambony no mahatonga izany satria tsy maharaka ny fahazaran-dratsy fanaon’ireo mpiasa ny mpitantana ka zary lasa kitoatoa ny asa atolotra ny vahoaka. Voalaza fa vola be tsy toko tsy forohana no lanian’ny Fanjakana amin’ny fanampiana ny vidin-jiro amin’izao fotoana izao nefa tsy ampy hanondrotana ny faktiora izany. Niaraha-nahita mantsy fa tamin’ny faramparan’ny Repoblika fahateo, izany hoe nisy fitondrana ara-dalàna nijoro teto, dia nahazo tombony sy niroborobo ny JIRAMA. Io antony io no nahatonga ny fitondrana tetezamita hampidina ny vidin’ny jiro satria nahazo tombony be ny orinasa ka mila zaraina amin’ny vahoaka ny fisitrahana izany. Ankehitriny kosa mijoro ny Repoblika fahefatra ary milaza fa matiantoka be ny JIRAMA noho ny fahambanian’ny vidin’ny jiro. Anjaran’ny mpitondra no mitady vahaolana ampihenana io vidin-jiro io ary, ihany koa, manao izay fomba rehetra tsy hahafatiantoka io orinasam-panjakana io. Azo atao tsara izany hoy ireo teknisianina eo anivon’ny JIRAMA raha toa ka misy ny mangarahara sy ny tena finiavana hampandroso. Manam-bola hividianana milina ho an’ny JIRAMA ny Fanjakana raha hividy ary efa mamokatra solika mavesatra i Madagasikara ahafahana mampandeha izany fa tsy mila manafatra avy any ivelany intsony. Tsy misy antony intsony tokony hividianana jiro lafo be izay vokarin’ireo orinasa tsy miankina ka amidy amin’ny JIRAMA.
Fiaramanidina aza voavidin’ny Fanjakana koa izay milina mpamokatra herinaratra hamatsiana ny firenena manontolo, inoana fa tsy ho sarotra ny hahazo azy raha tena mihevitra ny hiroso amin’ny famatsiana herinaratra ny vahoaka malagasy iray manontolo. Inoana anefa fa hahita ny fanazavana ara-teknika tsy hanatanterahana izany indray ireo mpitondra. Tsy handroso mihitsy ity firenena ity raha mbola misy kajikajy ho an’ny tombontsoan’ny olom-bitsy hatrany ny tetikasa rehetra mahakasika ny fiainam-bahoaka.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







