Toamasina – Maty novonoina ny zanany, namono tena koa ilay renim-pianakaviana
Maty namono tena ny renim-pianakaviana iray raha vao naheno fa maty novonoin’ny jiolahy ny zanany lahy. Tany Toamasina, tao amin’ny fokontany Mangarivotra no nitrangan’izany, omaly maraina. Tsy zakan’ilay ramatoa ny fahoriana nianjady taminy tamin’ny fahenoana ny fahafatesan-janany tamin’ny fomba feno herisetra ka naleony maty ihany koa. Nihinana pilina maro be izy ny alin’ny sabotsy ka nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly. Na dia efa nanao izay ho afany aza ireo mpitsabo nanavotra azy dia tsy tana intsony ny ainy. « Aleoko maty ihany koa toy izay miaina tsy misy ny zanako intsony », io ny teny farany naloaka ny vavan’ilay ramatoa, hoy ny loharanom-baovao. Zanany tokana izy io raha ny fantatra. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia nisy namono ny sabotsy tolakandro, tokony ho tamin’ny 4 ora tany ho any ny zanany lahy raha mbola nampiaraka tamin’ny sakaizany. Jiolahy efa-dahy nirongo fitaovam-piadiana no fantatra fa nanafika azy ireo ka nitifitra avy hatrany vao tsy nahazo izay nilainy. Maty tsy tra-drano noho izany ilay tovolahy.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







