Fanafihana miaro fanolanana – Tovovavy kely 13 taona indray no lasibatra
Lasa fomba fanaon’ireo jiolahy ny manolana ireo tovovavy sendra azy mandritra ny fanafihana mitam-piadiana izay tanterahany. Tovovavy kely vao 13 taona monja no lasibatr’ izy ireto, tao Salazamay, any Toamasina. Nidiran’ireo olon-dratsy, maromaro nisaron-tava, an-keriny ny tokantrano iray tao amin’io toerana io, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tany ho any.
Nambanan’ireo mpanafika ny basy avy hatrany ny iray trano vao tafiditra tao izy ireo. Lasa tamin’izany ny entana maromaro ary tsy vitan’izany fa mbola nentin’izy ireo niaraka taminy ihany koa ilay zazavavy kely mbola tsy ampy taona ary novetavetainy rehefa tonga tany amin’ny toerana maizimaizina.
Marihina fa toerana iray ihany no nanolanan’ireo olon-dratsy ity zazavavy kely ity sy ilay tovovavy 16 taona iray hafa tamin’ny faran’ny herinandro lasa iny. Raha zohina izany dia mety ho andian-jiolahy iray ihany ireo nanatanteraka ireo fanafihana roa ireo. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao fizahana ary efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







