“Observatoire de la jeunesse” – Ahiana ho lasa mpanohariana ireo tanora
Voamariky ny « Observatoire de la jeunesse » (Oj) fa manjavozavo ao anatin’ny drafitra fampandrosoana ny kaominina (plan communal de développement) ny vina ho an’ny tanora ary ampahany amin’ny fiainan’izy ireo ihany no voalaza ao, toy ny fanatanjahantena sy fialam-boly ohatra. Araka ny Oj dia tsy mamporisika ny tanora handray andraikitra ary tsy manome lanja azy mba ho lasa fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny tanàna io toe-javatra io. « Ahiana ny hahatonga ny tanora eny ifotony ho mpanohariana satria lalan-kafa izay tsy azon’ny saina eritreretina mihitsy no hizorany ary ho vesatry ny kaominina izy ireo amin’izany. »
« Betsaka ireo olona nilatsaka ho fidiana Ben’ny tanàna ary nampanantena hiasa ho an’ny tanora nandritra ny fifidianana. Ny haitarika andrasana amin’ireo Ben’ny tanàna dia ny hahatonga ny fandraisan’ny tanora anjara mavitrika eo amin’ny famolavolana sy ny fandrafetana paik’ady ary ny hanatanterahana ireo asa fampandrosoana eny ifotony; toy izany koa ny mba hamolavola sy hanatanterana miaraka amin’ny tanora ireo programa mampandroso ny tenany sy ny kaominina misy azy amin’ny fiainany ankehitriny sy ny ho avy », hoy ny « Observatoire de la jeunesse ».
Miainga amin’ny fananana drafitra kaominaly maty paika anefa izany. Io drafitra io dia antenaina ho marolafy satria hahakasika ny tanora amin’ny lafiny manontolo: fihariana, fahasalamana, maha-olom-pirenena vanona ary ny tontolo mifandraika amin’ireo. Tsy tokony hiankin-doha amin’ny fitondrana foibe na ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany fotsiny ny fampandrosoana ny tanora fa tokony handray ny tandrify azy ny eny ifotony.
Nangonin’i L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







