Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Fisandohana ho zandary – Telo lahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy miisa 3 no matin’ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny tanànan’i Batanty, kaominina Mantaly, any amin’ny distrikan’Ambilobe, ny sabotsy lasa teo. Nisandoka ho zandary  ary maka vola amin’ny fokonolona izy ireo. Fantatra ihany koa fa manao fanafihana mitam-piadiana mampihorohoro ny olona ao amin’io toerana voalaza eo ambony io izy ireto.

Saika handeha haka vola tamin’ny mpanao toaka gasy ireny mihitsy ireo telolahy no nisy nahatsikaritra satria tsy vao sambany no nanao io teti-dratsy io, araka ny loharanom-baovao fa efa maro ireo olona lasibatra. Mailo ihany koa ireo fokonolona ka nampandre ny sefo fokontany tao an-toerana. Ity farany indray avy eo nampiantso ny manam-pahefana, rehefa nilazana ny zava-misy izay nanambara fa tsy zandary akory ireo olona ireo. Vao naheno izany ireo fokonolona dia nanao fitsaram-bahoaka avy hatrany. Tao ireo nitoraka biriky sy namely tamin’ny hazo be ary nidaroka sy nandaka. Tsy nahatohitra ny hatezeran’ny fokonolona ny mpitandro filaminana ka maty teo no  ho eo ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Nentina tany amin’ny hopitaly kosa dia ireo namany roa fa namoy ny ainy ihany koa rehefa tonga kelikely tany.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre