Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Afobe

May, may, may ! Mirehitra i Gasikara. Afo be no mameno ity nosy maitso teo aloha. May ny ho avin’ny taranaka. May ny fahasalamana. May ny vokatra. May ny firenena. Fa na efa ao anaty afo be aza ny firenena, mbola matory ny mpitondra, indrindra ny tompon’andraikitra voalohany dia ny ministeran’ny Tontolo iainana. Feno doro tanety saika manerana an’i Madagasikara. Miitatra isan-taona izany doro tanety izany. Raha iny làlam-pirenena faha efatra iny no nalaza teo aloha dia saika ahitana izany avokoa ireo làlam-pirenena rehetra amin’izao fotoana izao. Tsy azo ahilika fotsiny intsony amin’ireo mpiompy ny doro tanety. Ny fisian’ny doro tanety no mampihemotra ny orana lava isan-taona. Mijaly ny mpamboly. Misy fiantraikany na tiana na tsy tiana amin’ny kere misy ankehitriny ihany koa ny doro tanety. Manampy trotraka amin’izany, ny fahasimban’ny ala sy ireo zavamanan’aina izay misy ao aminy. Ireo anefa no harena ananan’i Madagasikara. Ireo no misintona ny mpizahatany. Ireo no lova tokony mba avela ho an’ny taranaka any aoriana. Fa tsy ny ho avin’ny any aoriana ihany no may. May ihany koa ny paosin’ny tokantrano. Mitondra aretina mantsy ity doro tanety sy setroka be mameno ny tanàna ity. Difotry ny setroka mihitsy ohatra ny eto Antananarivo sy ny manodidina. Manempotra ny rivotra iainana. Mangirifiry ny maso. Ny ankizy madinika sy ireo olona efa nahazo taona no tena ataony mahita faisana. Mamely noho izany ny gripa. Marary ny maso. Raha vitavita ho azy ireny aretina ireny ho an’ireo matanjaka, mitondra aretina tsy maintsy tsaboina kosa ho an’ny ankamaroan’ireo olona marefo. Voatery manapaka fianarana ny ankizy amin’izany. Tsy afaka miasa ihany koa ireo ray aman-dreny fa tsy maintsy mitsabo ny zaza marary.

Fa tsy mahataitra ny minisitry ny Tontolo iainana izany rehetra izany. Tsy hita izay asa vita. Toa fisehosehoana no betsaka. Loha-laharana mihitsy i Madagasikara amin’ireny. Anisan’ireo firenena lasa aloha aty Afrika amin’ny tsy fampiasana « sachet » na harona plastika isika. Masiaka dia masiaka ireo mpiasa ao amin’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ao amin’ny ministeran’ny Varotra. Nisy mihitsy aza ny mpivarotra voaantso tany amin’ny biraon’ny ministera hanaovana fanadihadiana. Noraofina ny fonosana plastika amidin’ireo izay mbola minia manao izany. Misy mihitsy aza ny sioson-dresaka mampihorohoro ny mpanjifa fa dia “entin-dry zareo hatramin’ny entana ao anaty sachet”. Lamandy amina tapitrisa no tsy maintsy aloan’ireo mamokatra, na mivarotra na mampiasa ihany koa ireny sachet plastika ireny.  Ekena tokoa fa manimba ny tontolo

iainana ireny “sachet” saingy tokony ity afo be mandoro firenena ity aloha no laharam-pahamehana ho an’ny Fanjakana. Azo atao tsara anefa ny mametraka mpiasa manokana na brigady miady amin’ny afo. Azo atao ihany koa ny mametraka nomerao maitso ahafahan’ny olona mahita doro tanety miantso izany bridagy izany. Santionany ihany ireo. Raha misy ny finiavana, betsaka ny asa azo atao hamongorana na fara-faharatsiny ampihenana ny doro tanety.

Efa nilaza ihany ny mpitondra fa tsy maintsy ho saziana hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina izay tratra mandoro tanety saingy mipetraka ihany ny fanontaniana hoe olona firy no ho voasambotra amin’izany. Tsy mbola misy rahateo ny mpitandro filaminana manokana napetraka hitily sy hisambotra ireo mpandoro tanety izay tena manao danin’ny kibony mihitsy. Miraviravy tanana ary tsy re ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny ala manoloana izao fandorana miharihary ny harem-pirenena izao.  Toa variana any amin’ny fananganana faritra arovana ny fitondram-panjakana nefa tsy manana paik’ady mazava hisoroahana ny doro tanety. May ny firenena. may i Gasikara. Afo be faharo no mirehitra indray hoy ny mpihira malaza iray.

FR

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre