Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Amborovy – Roa lahy sarona nisoloky menaka dragona

Taorian’ny velam-pandrika nataon’ny zandary dia sarona tao Amborovy, tany Mahajanga ny roalahy izay malaza mpisoloky, ny zoma teo. Milaza fa mahita menaka voay sy menaka dragona izy roa lahy izay amidiny 37 tapitrisa ariary. Nisy, noho izany, ny fifampiresahana teo amin’ny vehivavy iray sy izy roa lahy, ny alakamisy. Nandritra ny fihaonana indrindra no nisalasala ilay ramatoa ka tsy nanome vola avy hatrany fa kosa namerina ireo olon-dratsy ny  ampitson’io. Nampandre ny zandary ilay ramatoa avy eo ka tamin’izany no nanaovana velam-pandrika ary nahatratrarana azy ireo.

Araka ny fantatra hatrany dia mody miantso vazaha ireo mpisoloky rehefa mahita olona hanaovany ny asa ratsiny ary misy tokoa ny olona mamaly any ambadika amin’ ny finday izay manazava amin’ny teny vahiny ary miezaka mandresy lahatra ilay mpividy. Efa nisy olona mihitsy nahazoan’izy ireo vola mitentina 90 tapitrisa ariary.

Tamin’ny fanadihadiana azy ireo no nahalalana fa menaka sakafo sy nofon-trondro matavy no ahodin’izy ireo ka ny menaka azo avy eo no atambatra ka lazain’izy ireo fa menaka dragona na mena-boay.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre