Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Doro-tanety – Ho gadraina hatramin’ny 10 taona izay tratra

Tsy tsinjo ny vodilanitra teto an-drenivohitra Antananarivo fa nanjakan’ny zavona tanteraka ny harivan’ny sabotsy sy alahady lasa teo. Midorehitra mena ny masoandro, raha vao nilatsaka ny hariva nanomboka tamin’ny 5 ora. Vokatry ny doro-tanety mirongatra nataon’ny be hetraketraka amin’ny manodidina no mahatonga izany. Araka ny tatitra voaray dia nanjakan’ny doro-tanety ny tany Ambatondrazaka, Anjozorobe, Moramanga, Ankazobe; nisy ihany koa tany Miandrivazo miakatra an’Antsirabe tamin’iny herinandro iny ka mitambatra ireny setroka ireny noho ny fitsokan’ny rivotra avy any Atsimo Atsinanana.

Vokatry ny doro-tanety dia nanaiki-maso tanteraka ny rivotra teto an-drenivohitra. Maro ireo mpandeha an-tongotra nahatsapa fa mampangirifiry maso ny zavona nandrakotra ny tananan’Antananarivo. Ho an’ny olona voan’ny sohika izao dia manahirana mafy ireny toe-javatra ireny.

Manoloana izany dia nanatanteraka fivoriana haingana ny  teo anivon’ny governemanta, ny alahady alina teo, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany, izay tao anatin’ny « conseil restreint ». Efa nisy, noho izany, ny fepetra noraisina, araka ny fanambaran’ny praiminisitra. Ary sazy mihatra 5 taona hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina no azon’ireo olona tratra mbola minia mandoro tanety.

Araka ny fanambaran’ny Praiminisitra hatrany dia irony atao hoe « El noni » irony iny nitranga teto an-drenivohitra iny, na ny fiakaran’ny maripana, izay mety mampihena rotsakorana amin’ny toerana efa tsy dia misy orana ary mety hitarika haintany fa ho an’ny toerana be orana indray dia hihamafy izany.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre