Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Fananganana sekoly teknika – Vola 186 miliara ariary isaky ny faritra 22 no hanaovana izany

Mba ho fitsinjovana ny tsy fananan’asan’ireo tanora amin’ny ho avy dia atsangana ny sekoly teknika isaky ny faritra 22 eto Madagasikara. Amin’izany no ampitomboana ny fandraisana tanora hiditra hianatra amin’ny sekoly teknika fiofanana arak’asa.  Eny amin’ireo sekoly izay efa nisy hatramin’izay sy ireo mbola amboarina no hanaovana izany. Tafiditra ao anaty paik’ady natao Paritra zary ohabolana ity tetik’asa ity araka ny fanambaran’ny praiminisitra, Jean Ravelonarivo, tao amin’ny Paon d’Or Ivato, nandritra ny kabary nataony, tamin’ny fanambarana ofisialy ny politika nasionaly ny asa sy ny fiofanana arak’asa.

Nolazainy fa efa misy ny vola natokana ho an’io tetikasa io izay mitentina 186 miliara ariary isaky ny faritra 22, ka alaina amin’ny volam-panjakana, nanomboka ny taona 2015 ka hatramin’ny 2019.

Mba  ampitomboana ny fianaran’ireo tanora asa dia  hisy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana amin’ny sehatra samihafa. Izany dia ho fanampiana ny tanora mandra-pidirany  amin’ny sehatry ny asa. Izany dia fanofanana azy ireo hamorona asa ho an’ny tenany ihany koa.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre