Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Andranomamy – Notifirin’ny zandary ilay dahalo

Tany amin’ny kaominina Andranomamy, any amin’ny lalam-pirenena Rn4 no nitrangan’izany, tamin’iny herinandro lasa iny. Fantatra fa nisy andian-dahalo nanafika io tanana io, tapa-bolana lasa izay, ka tamin’izany no nahaverezana omby maromaro. Nisy ny fanarahan-dia nataon’ny zandary sy ny fokonolona taorian’io halatra io, ka tao amin’ny tanàna kely atao Antsohikely no sarona ireo dahalo niaraka tamin’ireo omby nangalariny.

Vao nahatazana ireo mpitandro filaminana ireo dahalo dia nitifitra avy hatrany ka raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Dahalo iray no maty voatifitra ary iray hafa voan’ny bala teo amin’ny tanany ary vaky nandositra kosa ny ambiny. Nisy zandary iray ihany koa voatifitra teo amin’ny sandriny sy ny faritry ny lohany ka torana tsy nahatsiaro tena. Araka ny loharanom-baovao dia niafina teny ambony manga io dahalo naratra io ka noraisim-potsiny saingy notifirin’ny mpitandro filaminana rehefa vita ny fanadihadiana natao taminy. Sarona ny basy roa nampiasain’ireo mpangalatra ary tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo omby very.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre