Shine Mahajanga – Naondran’i pasitera ny zazakely
Taorian’ny famotorana nataon’ny fitsarana ambaratonga voalohany tany Mahajanga tamin’ny vehivavy iray, izay pasiteran’ny fiangonana Shine any an-toerana, sy ny ramatoa iray hafa dia nahazo fahafahana vonjimaika iry voalohany fa ilay namany kosa notazomina any am-ponja vonjimaika. Ny 24 oktobra lasa teo izy roa vavy ireto no natolotra ny fitsarana rehefa voampanga ho nanondrana zaza an-tsokosoko tany Mombassa Kenya.
Araka ny vaovao voaray, tamin’ny volana aprily 2015 lasa iny no nandeha niangona tao amin’io fiangonana io ny renim-pianakaviana iray izay sahirana ara-pivelomana sy ny zanany vavy kely vao 6 taona monja. Tamin’izany no nanantona azy ilay pasitera ary nilaza fa afaka manampy olona sahirana ara-pivelomana ka anatin’izany ny fandefasana ilay zazakely any Kenya ho fanampiana azy. Nanomboka nandresy lahatra azy ihany koa ny ramatoa iray naman’io mpitarika fiangonana io ka tapa-kevitra nandefa ny zanany ilay lasibatra. Ny volana may iny no nanainga ho any amin’io toerana voalaza eo ambony io ilay zaza ary ilay ramatoa naman’i pasitera no niantoka ny lany rehetra.
Ny 23 oktobra lasa teo anefa dia nitory ilay pasitera sy io namany io ilay renim-pianakaviana ka teo no nahalalana fa tsy misy taratasy avy amin’ny fitsarana na avy amin’ny fitondrana na ny « délégation d’autorité parentale na adoption » nahafahan’ireo olona nandefa ilay zaza. Efa misy noho izany ny « délégation judiciaire » navoakan’ny fitsarana hisamborana ilay lehilahy voalaza fa nandray io zazavavy io any Kenya.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







