Asa mahafaty !
Mafy teo anivon’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ny namoizana ny namana mpanao sary hitatra izay maty nisy nanatsatok’antsy noho ny resaka tsy fandriampahalemana. Mifamahofaho ny zava-mitranga satria na dia endrika fanendahana miampy herisetra aza no nianjady taminy dia misy ihany ny eritreritra mahakasika ny valifaty politika satria iaraha-mahita fa anisan’ireo mpanao sary hitatra sahy nilaza ny marina sy manebaka ny tsy mety ilay nisy namono. Ny ahiahy tsy hihavanana ary ain’olona no nafoy ka raha todim-pitia aza manody fa raha todim-paty kosa manodiava.
Na inona na inona antony nahafaty ilay namana dia tsy azo iadian-kevitra fa ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana no nahatonga izany. Tsy nisy mpitandro filaminana afaka niaro azy teny amin’ny manodidina ny toerana nitrangan’ny loza nefa dia iaraha-mahalala izao fa faritra mena amin’ny fanendahana sy ny halatra ary ny vono olona. Mahagaga sy mampametra-panontaniana ny maro ihany ny zava-mitranga eny amin’ny manodidina an’Andravoahangy ambony iny satria misy tobin’ny polisy tsy dia lavitra eo. Amin’ny atoandro izay be olona mifanaretsaka dia ahitana mpitandro filaminana eny an-toerana. Vao manomboka mihamaizina anefa ny andro, izany hoe ora fivoahan’ny olon-dratsy, dia tsy hita popoka ny polisy. Efa ho amam-bolana rahateo no nandrenesana fanendahana miampy herisetra amin’iny faritra iny fa toa tsy mba re akory ny fisian’ny fanaovana hetsika manokana hamongorana izany. Izao nihafara amin’ny faty olona izao angamba vao hisy ny fandraisana andraikitra. Dia andrasana hisy sorona hatrany ve vao hisy fandraisana andraikitra eto amin’ity firenena ity? Ny hetsika fahalemana any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy no ambetitenin’ny mpitondra fa ny herisetra sy halatra miampy vono olona eto an-drenivohitra tsy hitan’izy ireo.
Asa tena mampidi-doza ity fanaovan-gazety ity satria sady mampigadra no mahafaty. “Ny tongotra ilany any am-ponja ary ny tongotra ilany any am-pasana” hoy ny vazivazin’ireo zoky mpiara miasa. Tena marina izany satria tato anatin’ny roa taona nijoroan’ny Repoblika fahefatra fotsiny dia efa nisy ny mpanao gazety nogadraina, nisy ireo nampihorohoroana tamin’ny resaka fitsarana sy fanadihadiana teny amin’ny mpitandro filaminana, ary iny farany iny dia notsatohana antsy mihitsy ho faty. Ny mpanao gazety anefa amin’izao fotoana izao no mba fitarainan’ny vahoaka amin’ny tsy mety sy tsy an-drariny rehetra eny anivon’ny fiaraha-monina. Vao misy zava-mitranga dia ny miantso mpanao gazety no mahamaika ny fokonolona fa tsy ny mpitandro filaminana na hitaraina any amin’ny manam-pahefana.
Midika io fa tsy mba manao be marenina fa tonga hatrany hihaino ny fitarainan’ireo iharan’ny tsindry hazo lena ny mpanao gazety. Tena andry iankinan’ny firenena sy ny vahoaka ny mpanao gazety nefa ataon’ny tompon’andraikitra maro tsinontsinona. Marobe ireo mpitondra ambony mamoaka vava manambana sy manaraby ny mpanao gazety izay tsy azo vidiam-bola amin’ny alalan’ny felaka ka milaza sy mitatitra ho hitam-poko hitam-pirenena ny zava-misy marina eto amin’ny firenena. Misy ihany koa ireo tompon’andraikitry ny serasera, izay mpanao gazety ihany no ankamaroany, no mpisolelaka satria mihinana patsa indray mahandro avy amin’ny sampan-draharaha samihafa mampiasa azy ireny ka manao ny fomba rehetra hanafenana ny vaovao marina tsy ho azon’ny mpanao gazety izay sahy milaza ny marina.
Santionany amin’ny zava-misy ireo rehetra ireo etina ilazana fa asa masina nefa mahafaty ity asa fanaovan-gazety ity. Na eo aza anefa ny ramatahora sy ny fingampingana tsy hita isa ataon’ireo tsy mahazaka ny demokrasia sy tsy mahatanty ny hamoahana ny marina ho fanta-bahoaka dia tsy hanova na inona na inona izany satria ny maro an’isa amin’ny mpanao gazety malagasy dia tsy azo ahodinkodina sy sakantsakanana fa mijoro tanteraka amin’ny fanajana ity asa ity ary vonona ny hilaza ny zava-misy na inon-kidona na inon-kihatra.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







