Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ampanefena – Ramatoa iray maty voahitsaky ny kamiao

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao Ampanefena, any amin’ny distrikan’i Vohémar, ny 25 oktobra lasa teo, tamin’ny 6 ora sy fahefany hariva. Vehivavy iray sendra niampita lalana no voadonan’ny kamiao. Nipitika ary mbola voahitsaka tao ambanin’ity fiara vaventy ity ka maty teo no ho eo ilay ramatoa. Nandeha mafy io fiara io araka ny loharanom-baovao ka tsy voafehy intsony ny familiana. Nanitsaka hisatra ihany ny mpamily raha ny fantatra hatrany fa noho izay fandehanana mafy izay dia niharan’ny loza ilay vehivavy. Ity farany koa tsy nahahetsika teo ampovoan’ny arabe vao nampaneno  kipantsona ilay fiara be ka tsy nisy ny azo atao. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao fizahana ny razana ary natolotra ny havany avy eo.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre