Fanatsarana ny eny anivon’ny fonja – Sarotra ny famerenan’ireo voafonja eny amin’ny fiaraha-monina
Notanterahana omaly, teny amin’ny Espace Dera ny atrik’asa fanatsarana ny eny anivon’ny fonja, izay tohanan’ny vondrona Eropeanina ao amin’ny fikambanana « handicap international », izay vokatry ny asa nataony nanomboka ny taona 2013 hatramin’ny 2015, teny amin’ny fonja miisa 4 teto Madagasikara. Anisan’izany ny fonjan’i Toamasina, Toliara, Mahajanga ary ny fonja miandraikitra zaza tsy ampy taona eny Antanimora.
Anatin’izany atrik’asa izany ny fanatsarana ny maha-olombelona ao anatin’ny fonja, amin’ny fijerena ny zon’olombelona ary ny mba hanajana izany. Eo ihany koa ny famerenana ny zaza tsy ampy taona voafonja eny anivon’ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny fitaizana azy ireo eo amin’ny lafin’ny fampianarana zavatra maro be, toy ny asa.
Betsaka ny tsy fahampiana eny anivon’ny fonja. Ny faharerana ara-tsaina mahazo ireo ankizy voafonja noho ny fandalovana dingana maro samihafa hidirana am-ponja sy ny zavatra iainana rehefa tonga ao no antony hanaovana io tetik’asa io. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny famatsiana sakafo mba hahalavorary ny sakafon’ny voafonja sy ny fitaovana maro.
Raha ny eny Antanimora fotsiny dia manodidina ny 107 ireo tsy ampy taona voafonja, omaly. Miisa 25 indray izy ireo any amin’ny fonjan’i Mahajanga, ny alatsinainy lasa iny ary mananika eo amin’ny 40 eo ny any Toamasina, izay vehivavy ny roa. Mitombo isan’andro izy ireo. Ny tsy fidirana an-tsekoly ny tena olana mahabetsaka azy ireo migadra ary aro-paosy sy ny vono olona no iampangana azy ireo.
« Tsy mora ny fanomanana ny fameranana azy ireo eny anivon’ny fiaraha-monina nohon’ny tsy fisian’ny fitaovana ara-kolona voahofana iandraikitra izany satria tena ilana fiofanana ny manantanteraka izany », hoy i Arinaud, « Educateur spécialisé d’administration pénitentiaire », izay miandraikitra ny fampianarana ny voafonja rehetra sy eo anivon’ny fiaraha-monina.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







