Nikasa hangalatra – Jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka
Lehilahy iray no saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny alatsinainy, tamin’ny misasak’alina, raha hangalatra tao amin’ny tokantrano iray teny amin’ny fokontany Andranoro, kaominina Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo. Iny saika hanapitsoka varavarana iny no tsikaritry ny olona ity lehilahy ity ka nitsoaka avy hatrany vao nihorakoraka ny fokonolona. Raikitra ny fanenjehana azy ka tsy lasa lavitra dia tratra.
Niharan’ny hatezeran’ny vahoaka ilay jiolahy, teo ireo nikasy tanana sy namely tamin’ny hazo sy vy maranitra, nisy koa nidaroka sy nandaka. Vokatry ny vona nahazo ity mpangalatra ity dia naratra teo amin’ny lohany. Tonga ara-potoana teny an-toerana ny zandary nanavotra azy fa raha tsy izany dia maty teo.
Nandritra ny fisamborana azy dia nahitana zavatra maro teny aminy, toy ny « sécateurs » lehibe iray, lakile maro isan-karazany entiny miditra an-tsokosoko an-tranon’olona ary vy maranitra fanapitsohana « cadenas ». Tsy nahitana taratasy izay mety ahalalana azy ity olon-dratsy ity fa araka ny filazany dia monina eny Ambohimanarina izy.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







