Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Vono olona – Razana telo no indray hita

Razana miisa 3 no indray hita tamin’ny faran’ny herinandro teo sy ny fiandohan’ity herinandro ity. Fantatra fa maty nisy namono avokoa izy telo ireo tamin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana sy tamin’ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Ny roa tamin’ireo razana ireo ny androtry ny alatsinainy 26 oktobra no indray hita.

Teny Ambohimangakely, tamin’ny 6 ora maraina izao dia fatim-behivavy iray sahabo ho 50 taona eo no hita teo amin’ny fivarotana fasika amoron’ny tanimbary teny an-toerana. Tsy nisy taratasy nahafahana namantatra ity vehivavy ity fa tamin’ny fizahana natao no nahalalana fa maty nisy nanindrona tavoahangy teo amin’ny masony roa sy ny fihirifany havia sy havanana.

Mbola ny andron’ny 26 oktobra hatrany fa tamin’ny 2 ora atoandro indray, fatin-dehilahy tokony ho 40 taona no hita teo amin’ny toerana atao hoe Ambatovolo, any Amparafaravola. Fantatra ihany koa fa maty novonoina io olona io satria nahitana ratra maro be teny amin’ny vatany. Mbola fatin-dehilahy hatrany no hitan’ny fokonolona teo akaikin’ny fitehirizam-bokatry  ny Hasyma ao amin’ny fokontany Anjijia, tany Ambato Boeny, ny alahady lasa teo, tamin’ny 9 ora maraina. Tsy nisy ihany koa ny taratasy nahafantarana azy fa lehilahy tokony ho 47 taona eo ho eo izy io ary nahitana mangana teny amin’ny vatany.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre