Ambalavato Manakambahiny – Gidragidra indray ny ao amin’ny fiangonana Fjkm
Nirenty, nandritry ny fotoam-pivavahana ny alahady 25 oktobra 2015 lasa teo, tao am-piangonana ny sora-baventy maromaro nolanjain’ireo mpivavaka ao amin’ny fiangonana protestanta Ebenezera ao Ambalavato Manakambahiny.Raha aravona, miompana amin’ny fangatahana fanoloana ny mpitandrina am-perin’asa ny fitakiana.Maro ny vesatra niampangan’ireo mpivavaka an’ity mpitandrina vehivavy izay mitondra ny fiangonan’ ity ka anisan’ireny, raha ny nambaran’izy ireo, ny fampisarahana sy fanavakavahana ireo mpino ka zary lasa nampitombo isa ireo nifindra fiangonana hafa.Eo ihany koa araka ny nambaran’ireo mpivavaka ao an-toerana ihany koa ny tsy fahombiazana eo amin’ny resa-pitantanana izay tsy vao izao akory no nitrangan’izany fa efa ela ihany.Efa nisy ny fihaonana sy fifampidinihina notontosain’ireo mpino sy ny mpitandrina saingy tsy nisy ny vahaolana ary nandamoaka hatrany izany raha ny nambaran’ireo voalohany hatrany.Tsy nisy ihany koa ny fandraisana andraikitry ny avy ao amin’ny synodam-paritany raha ny nambaran’ireo mpino ihany na dia efa imbetsaka aza izy ireo no nametraka ny fitarainany.Marihina hoy ireo mpino ireo fa tsy fanonganana no takian’izy ireo amin-dramatoa mpitandrina fa ny fanoloana azy.Marihina fa tsy vanona ny fanompoam-pivavahana tamin’io andro io fa hiram-pivavahana no naredon’ireo mpino marobe izay nilanja sora-baventy ireo ka tsy nahafahan-dramatoa mpitandrina nitarika ny fotoana.Raha niezaka ny naka ny hevitry ny mpitandrina ireo mpanao gazety manoloana izao toe-draharaha izao dia nisafidy ny tsy hiteny izy.Raha ny antontan’isa nomen’ireo mpino dia mihoatra ny 90% ny isan’ireo mankasitraka ny fanoloana io mpitandrina io ao amin’ny fiangonana Ebenezera Ambalavato Manakambahiny Ambatondrazaka.Andrasan’ny maro ny tohin’ny raharaha ampian’ny fandraisana andraikitra avy any amin’ny foibe amin’izao fotoana izao.
Ange R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







