Vous êtes ici :

Lundi 29 Avril 2024

ombre

Fanodinana fako ho lasa akora – Fomba iray natao hikajiana ny tontolo iainana

Anisan’ny mamokatra fako betsaka indrindra ny tanàn-dehibe. Mba hialàna amin’ny loto lavareny hita etsy sy eroa dia misy ny ivo-toerana fiofanana manodina ny fako ho lasa akora, izay natao hikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara. Na dia misy aza anefa io toerana fianarana io, dia tsy azo ampiasaina  nohon’ny tsy fahampian’ny vola avy amin’ny Fanjakana.

Fanodinana fako

Ny atao hoe fanodinana fako dia fitrandrahana  fako ho lasa akora vaovao azo ampiasaina ahafahana mampihena ny fivangongon’izany mba hiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-boary.

Ireo zavatra azo ahodina

Mahakasika ny fanodinana fako indrindra dia betsaka ny zavatra simba eritreretina tsy ilaina intsony ka ariana eny rehetra eny. Nefa tena ilaina ireny ary afaka ahodina ho akora indray izay azo ampiasaina tsara. Betsaka noho izany ireo fako azo avadika raha tsy hitanisa, ohatra, ireny harona plastika ireny izay hanamboarana làlana « pavé », ny potika taratasy hanaovana lasitra ara-pedagojika. Eo ihany koa ny plastika toy ny bidao sy tavoahangy izay hanamboarana fitoeram-boninkazo. Ny tavoahangy sy harona plastika atambatra ho lasa kapa. Ny sarona tavoahangy hanaovana seza sy tanty entina miantsena. Ny gazety sy harona plastika havadika ho fitoeram-bilia, sns…

Ny tanjona

Ny tanjona amin’ity fanodinana fako ity dia ny fampiasana indray ny zavatra rehetra simba na atao hoe fako. Anatin’izany ny fampihenana ny vokatra ateraky ny loto, izay tena mila fandavan-tena sy fieritreretan’ny tsirairay  ho fikajiana ny tontolo iainana. Eo ihany koa ny mba tsy hiparitahan’ny fako etsy sy eroa. Mba tsy hanintona voalavo, ohatra, ny ambin-tsakafo fa havadika ho zezika,  ary mba ho fampianarana ny olona hadio. Efa misy ny toerana natokana ho an’izany.

I. I. K. T

Anisan’ny mamokatra fako indrindra ny tanàn-dehibe ka izany no nahatonga ny ivo-toerana ibeazana ara-kolotsaina mirindra amin’ny tontolo iainana ( I.I.K.T) nanokatra ny toeram-pampianarana mahakasika ny fanodinana fako ho lasa akora iray azo ampiasaina tsara. Efa tamin’ny taona 1989 no nisokatra ity sekoly ity, izay niainga tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny Wwf ka ny fiarovana ny tontolo iainana no tanjona. Fa amin’izao fotoana izao dia efa eo anivon’ny Dren Analamanga ny I.I.K.T ary misy isaky ny faritra.

Araka ny fanambaran-dRandriamialisoa Emile, lehiben’ny sampan-draharaha ao amin’ny I.I.K.T ao amin’ny Dren Analamanga dia maro ny firotsahana an-tsehatra efa nataon’ny sekoly ka anisan’izany ny fanofanana ny mpampianatra amin’ny  tekinikan’ny fampianarana, ny fanamboarana fitaovana entina mampianatra iarahana amin’ny mpampianatra ary ny fanaovana fanentanana manaraka lohahevitra. Ohatra, andro maneran-tany momba ny rano.

Efa aman’arivony ny mpiofana navoaka

Maro ny fiofanana hita ao amin’ny I.I.K.T mba hiarovana ny tontolo iainana. Misy karazany dimy izany dia ny fianarana manentana, mandrindra eny ifotony, famoronana tetik’asa momban’ny tontolo iainana, famoronana rafi-piofanana ary ny fandaminana ny fitantanana. Ireo rehetra ireo dia ahoazoana diplaoma avy amin’ny Fanjakana avokoa. Efa aman’arivony ny mpiofana navoakan’ity sampan-pampianarana ity. Ny taona 2014 dia namoaka mpianatra 240.  « Efa betsaka ireo olona tonga nanaraka fiofanana teto amin’ny I.I.K.T. Isan-taona fotsiny dia efa aman-jatony ireo olona miofana momba ny fikajiana ny tontolo iainana izay mianatra manodina ireo fako ho akora. Eny amin’ny sekoly iray ao Mahamasina izao dia zato latsaka ireo hampanaovina izany ary ankoatra io dia mbola maro ireo fiofanana azo atao »,  hoy i Emile Randriamialisoa.

Fiofanana ho an’ny rehetra

« Maro ny sakana natrehana nohon’ny tsy fahampian’ny ho enti-manana satria ambany dia ambany ny fari-pahaizan’ny olona nefa tsy maintsy omena fiofanana avokoa. Ny fiofanana ho an’ny rehetra ny tanjona satria ny olona tsy mianatra tsy hoe tsy manimba ny tontolo iainana », hoy hatrany ny lehiben’ny sampan-draharaha ao amin’ny I.I.K.T ao amin’ny Dren Analamanga. Ankoatra ny fampianarana ireo fokonolona sy ny ankizy kely hikojakoja ny tontolo iainana dia mampianatra hatramin’ny miaramila sy ireny mpamonjy voina ireny ny sekoly amin’ny fandraisany andraikitra amin’ny fiarovana izany.

Mbola tsy tratra ny tanjona

Mbola tsy tratra  ny tanjona satria miova isan’andro ny olan’ny tontolo iainana. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny vola omen’ny Fanjakana. Fa ny zava-dehibe araka ny filazan’I Randriamilisoa Emile dia ny fitadiavana fomba hanomezana voka-tsoa amin’ny alàlan’ny tontolo tsara ny taranaka afara. Ohatra ny fampiasana biriky mahamay mba hampihenàna ny fampiasan’ny olona ny saribao izay miteraka olana be satria  ny asa fiveloman’ny olona mihitsy ny voakitika. « Ny azo ambara dia misy fifandanjana ny filan’ny olona sy ny tontolo iainana.»

Fanariam-pako ngezabe ny vahaolana

Betsaka ny olona mampiasa finday amin’izao fotoana izao  nefa atao aiza daholo ny finday maty rehetra. Ny vahaolana ho an’ny I.I.K.T dia ny fanaovana fanariam-pako ngezabe hanangonana ireny fitaovana ireny mba havadika.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre