Halatra kojakojan’ny fiara – Roalahy saron’ny polisy
Tany Toamasina no nisehoan’izany ny alin’ny 25 hifoha 26 oktobra, nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tao Morarano. Roalahy izay malaza amin’ny halatra bateria an’ny fiara sy kodiarana ary kojakoja rehetra mahakasika fiara eny amin’iny toerana iny no voasambotra. Efa maro ihany koa ny fitairanana voarain’ny mpitandro filaminana mahakasika azy ireo, ka niaiky ny heloka vitana izy roa lahy nandritra ny fanadihadiana natao. Tamin’ny filazan’izy ireo hatrany dia ireny fiara mijanona amoron-dalana sy ireo mihidy anaty tanàna na anaty garazy no tena manavanana azy.
Araka ny loharanom-baovao dia tsy izy roalahy ireo ihany no tena mpanao io halatra mahakasika ny fiara io fa mbola betsaka ireo namany no mandeha any ho any. Nanonona anaran’olona maromaro ihany koa ireto jiolahy tratra ireto ka efa mandeha ny fikarohana ireo mpangalatra ireo ankehitriny.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







