Toamasina – Mitazona ody gasy ireo mpitarika posy manendaka
Efa malaza hatramin’izay any Toamasina ary efa nahazoan’ny mpitandro filaminana fitarainana maro ny momba ireo mpitari-posy miray tendro amin’ny mpanafika sy mpanao asa ratsy rehetra. Fantatra amin’izao fotoana izao fa anisan’ireo manendaka ihany koa ny sasany amin’ireny mpitarika posy ireny, indrindra ireo miasa amin’ny alina. Malaza ho mitazona ody gasy sy mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireny entina andrahonana ny lasibatra.
Tamin’ny fisafoana nataon’ny polisy ny 25 oktobra teo dia tovolahy iray vao erotrerony, antsoina hoe Jean Metiste no voasambotra. Ity farany dia nahatratrarana ody gasy teny aminy saingy kosa tsy nahitana fitaovam-piadiana nandritra ny fisavana azy. Eny amin’ny biraon’ny polisy ao amin’ny boriborintany voalohany any Toamasina io lehilahy io amin’izao fotoana izao raha ny vaovao voaray farany.
Efa mandeha kosa ny fikarohana izay mpamatsy fitaovam-piadiana azy sy ny toerana nanafenany io fitaovana voalaza io.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







