Tsiroanomandidy – Olona roa maty notifirin’ny miaramila
Tovolahy miisa roa no fantatra fa maty norarafan’ny miaramila tifitra variraraka. Tao anaty hetsika fahalemana, tany Antsapanimahazo, kaominina Fihaonana, ao anatin’ny distrikan’i Tsiroanimandidy no nitrangan’izany, ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany maraina.
Nirefotra ny basy, ary niara-maty vokatry ny bala niantefa teny aminy ireo tovolahy, izay avy nanantanteraka ny asany. Nidina teny an-toerana ny kaomandan’ny kaompania tao Tsiroanimandidy niaraka tamin’ny mpitsabo nijery ifotony ny zava-misy ka tamin’izany no nahalalana fa tsy dahalo ireo olona maty ireo.
Tamin’ny fisavana ireo razana no nahafahana namantatra ny mombamomba azy roalahy tamin’ny alalan’ny kara-panondron’ny iray tamin’izy ireo. Tsy sambany no manao fahatany ny asany tahak’izao ireo mpitandro filaminana natao hiaro ny mponina mandritra an’ity hetsika fahalemana ity, ary tsy tany an-toerana ihany fa saika tamin’ireo toerana rehetra nanaovany izany. Vao volana vitsy lasa izay no nisy miaramila mpampandry tany iray nitifitra raim-pianakaviana nitondra kibôta. Maty tsy tra-drano ihany koa ity farany vokatr’izany.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







