Vous êtes ici :

Jeudi 12 Février 2026

ombre

Sarin’ady!

Nahoraka be efa hatramin’ny faramparan’ny herinandro iny fa ho tontosaina ny zoma 6 novambra izao ny fifanatrehana eo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna. Ireto farany no voalaza fa nampiantso ny governemanta hanao tatitra sy hametrahana fanontaniana mikasika ireo raharaha mafampana rehetra eto amin’ny firenena, indrindra ny tsy fandriam-pahalemana sy ny toekarena. Inoana fa hifanasa vangy sy hifanebaka ary hifampiseho toetra tsy fakan-tahaka indray ireo solombavam-bahoaka sy ireo minisitra amin’io fifanatrehana io. Efa fanta-daza rahateo amin’ny fanaovana sinema ireo olom-panjakana eto amintsika ka mahavita mifanala baraka sy mifampihantsy imasom-bahoaka nefa tsy hita akory izay tena vokatr’izany avy eo. Vao tondrahan’ny fahefana mpanatanteraka ravim-bola mantsy ny solombavam-bahoaka dia miparitaka toy ny fasika ilay firaisan-kinan’izy ireo. Mahery an-tanàna fotsiny rahateo ny depiote ka bevava sy mibontsimbontsina rehefa ao an-dapany nefa tsy hita izay tena atoraka amin’ny andavanandro. Tsy azo adinoina ary tsy odian-tsy fantatra mantsy fa ireo solombavam-bahoaka ankehitriny ireo ihany no nandany ny lalàna rehetra naroson’ny fitondram-panjakana mijoro. Izany hoe mody bevava sy be fanakianana amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana sy ny fisehosehoana fa mpiray petsapetsa amin’ny mpitondra ihany.

Farany teo ohatra dia marobe ireo tonga nanatrika ny fivoriana tsy ara-potoana hananganana ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI).  Mbola nampiseho ihany koa ny maro an’isa teny amin’ny Antenimieram-pirenena fa manohana ny fitondram-panjakana mijoro. Vao vita anefa ny fifidianana ilay lalàna manangana ny CENI dia efa marobe sahady ireo nampiaka-peo fa an-kamehana loatra ny fananganana io vaomiera io ary tsy mbola lavorary ny fepetra rehetra mampanaram-penitra azy.

Izao indray dia mitsangana ny maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena izay milaza fa tsy manohana velively ny fitondram-panjakana. Tsy fantatra intsony izay tena foto-kevitra ijoroan’ity andrim-panjakana iray ity fa tena mivadibadika toa lela may. Androany manao “Hosansa Hosana”, rahampitso manao “Homboy Homboy”.

Ny efa fantatra sy hita ary azo antoka dia maro ireo solombavam-bahoaka no manao mpikarama an’ady mampiasa ny fahefana nomen’ny vahoaka azy hatao fitaovana politika sy fitaovana fitadiavam-bola fotsiny. Saika izy rehetra sy ny vondrona politika rehetra mihitsy no manao izany. Voalohany amin’ireny ireo sokajiana ho tsy miankina. Ireto no tena hery lehibe mampitongilana ny maro an’isa satria izay tohanan’izy ireo hatrany no mandresy amin’ny tsangan-tanana. Mazava ho azy fa avy amin’ny fikambanana mitsikokatokana izy ireny ka mora amin’ireo mpanao politika ny manambitamby ny maro amin’izy ireny amin’ny alalan’ny fizarana vola na tombon-tsoa maro samihafa mba hanohana foto-kevitra.

Eo ihany koa anefa ireo depiote avy amin’ny vondrona politika matanjaka nefa tsy mba manan-kambo fa vao fitahin’ny mpitondra amin’ny soson-kevitra mety hahazoana seza dia roboka sy milefitra. Voalohany amin’ireny ry zareo avy amin’ny vondron’Ambodivona izay nanantena mafy ny fanatanterahana ilay satan’andraikitra ary efa nandefa soson-kevitra tany amin’ny filoham-pirenena mihitsy ho fanatanterahana izany. Afa-baraka fotsiny anefa ary niandry vasoka fa tsy nasian’Ambohitsorohitra tohiny ilay resaka fifampidinihana sy fifanarahana ary fizarana seza. Nanantena mafy ny hahazo ny toeran’ny praiminisitra ny vondron’Ambodivona saingy notsipahan’ny fiadidiana ny Repoblika ambava-fo dia io fa manomboka mampiaka-peo indray.

Mbola tafiditra ao amin’ny lisitr’ireo mpivadibadika ihany koa ireo depiote TIM sy ireo mpanohana an-dRavalomanana. Nihevitra ireto farany fa homen’ny Fanjakana maimaim-poana ny orinasa TIKO ireo tany rehetra tsy mbola ara-dalàna ny taratasy fifampivarotana ary homena tombon-dahiny hisokatra indray ny orinasa na dia mbola misy aza ireo fifanolanana ara-bola toy ny trosa sy ny hetra tsy mbola voaloa. Nandray anjara tamin’ny fandaniana ilay lalàna mikasika ny CENI ny TIM nefa vao vita izany dia io fa nodakan’ny mpitondra i Marc Ravalomanana sy ny ekipany.

Lasa sarin’ady sisa ny zava-misy eny amin’ny Antenimieram-pirenena satria ireo solombavam-bahoaka dia miova hevitra sy miady ho an’ny tenany manokana, na ny antokony, fa tsy mba mijoro ho tena mpitondra-tenin’ny vahoaka mihitsy. Ihomehezan’ny fahefana mpanatanteraka fotsiny satria voavidin’ny volany.

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre