Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Fahasarotam-piaro – Tovovavy iray naratra mafy nodarohan’ny sakaizany

Nohon’ny fahasarotam-piaro tafahoatra dia tovovavy iray 24 taona no nodarohan’ny tovolahy iray misakaiza aminy, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo, teny Ambatoroka. Vokatry ny ratra mafy nahazo azy dia mivoaka rà avokoa ny sofiny sy ny orony ary ny vavany. Araka ny loharanom-baovao dia tsy zakan-dralehilahy ny nahita azy teny an-tsandrin’ny tovolahy iray hafa. Nahatsiaro tena ho voailika iry voalohany ka tsy nahatsindry fo fa avy hatrany dia nikasi-tanana. Rehefa nozohina akaiky anefa ny raharaha dia naman’ilay tovovavy io tovolahy io izay nampionona azy nohon’ny adiady nisy taminy sy ny sakaizany.

Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ilay tovovavy amin’izao fotoana izao. Manoloana ity trangan-javatra ity dia nilaza tsy hanaiky ny mahazo ny zanany ny ray aman-drenin’ny naratra na dia efa eo aza ny fangatahan’ilay tovolahy namono fifonana tany amin’izy ireo. Tsy manaiky raharaham-pihavanana izy ireo fa tsy maintsy hitory eny amin’ny fitsarana.

L.N

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre