Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Fananganana asa hoan’ny olona sembana – Mbola olana hatrehana ny famolavolana izany

Raha eto Madagasikara no resahina dia mbola olana goavana ny fidiran’ireo olona manana fahasembanana eny anivon’ny tontolon’ny asa. Eo amin’ny famolavolana izany ny tena mbola manahirana, izay sakana lehibe tsy hahafahan’ireo sembana miditra eo amin’ny sehatra ny fameloman-tena. Manoloana izany indrindra dia nanantanteraka seminera naharitra efatra andro, izay nifarana ny alakamisy teo, tao amin’ny hotely Panorma, ny « Handicap International » ka anisan’izany ny fandinihana ny fahafahana mahazo famatsiam-bola hoan’ny sembana.

Olona miisa 50 avy any amin’ny firenena 15 maneran-tany no nandray anjara tamin’io fihaonana io izay natao hifampizarana traikefa tamin’ireo fikambanana tsy miankina miahy ireo olona sembana eto Madagasikara. Nisy ihany koa ny fizarana fitaovana ho an’izy ireny mba hahafahana manatsara ny asa atao ary ihany koa hanamorana ny fahazoana famatsiam-bola. Amin’ny alalan’ireo fitaovana ireo no hafahahana manao asa tarika tamin’ny fandinihana ny olan’ireo sembana tsirairay sady fampiharana ihany koa.

Ny tanjona dia ny mba hananan’ireo olona sembana fiainana mirindra amin’ny andavanandro, ary ihany koa hahafahan’ny rehetra misitraka izany. Ao anatin’izany ny fampandrosoana ifotony izay handraisan’anjaran’ny rehetra eo anivon’ny fiaraha-monina mba hananan’izy ireny ny anjara masoandrony.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre