Fiara nivadika – Olona iray miady amin’ny fahafatesana
Nitrangana lozam-pifamoivoizana ny lalana mihazo ny tananan’Andapa. Omaly maraina, tokony tamin’ny 5 ora tany ho any, tao Antsalaly no nitrangan’izany. Fiara fitaterana iray hihazo an’Andapa no tra-doza tampoka, ka naratra ireo mpandeha rehetra tao anatiny ary iray amin’izy ireo miady amin’ny fahafatesana amin’izao fotoana izao. Mbola tsy fantatra kosa ny tena antony nahatonga ny loza. Feo mandeha no nahalalana fa vesatra miaro fandehanana mafy no nahatonga izany, araka ny loharanom-baovao. Fantatra ihany koa fa manenjika isa ilay mpamily satria marobe ireo mpandeha amin’ny maraina. Vokany nivadika ambony ambany ilay fiara. Nentina haingana namonjy hopitaly ireo naratra rehetra mba hahazo fitsaboana. Ilay fiara kosa potika tsy nisy nilana azy intsony.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







