Vatomandry – Misesisesy ny fanafihana mitam-piadiana
Velon-taraina ny mponina any Vatomandry satria miha-mahazo ny tsy fandriam-pahalemana. Efa saika isan’andro no hitrangana fanafihana mitam-piadiana any an-toerana fa indrindra amin’ny faritra Ilaka Atsinanana. Tao anatin’ny herinandro monja dia vola an-tapitrisany no efa lasan’ireo jiolahy mirongo fitaovam-piadiana.
« Tamin’ny sabotsy 24 oktobra izao dia tanàna iray efa misy mpiaro no nidiran’ireo jiolahy ary lasa ny vola 3,6 tapitrisa ariary. Ny alatsinainy hifoha talata 27 oktobra indray tao Ilaka Atsinanana, mbola vaky trano hatrany dia vola 5 tapitrisa ariary miampy ireo entana maro samihafa no norobain’ireo olon-dratsy. Mbola vaky trano tao Ilaka Atsinanana ihany fa ny talata hifoha alarobia 28 oktobra, najifan’ireo jiolahy ny vola 16 tapitrisa ariary sy entana maro. Ny alakamisy hifoha zoma dia trano iray nidiran’ireo olon-dratsy an-keriny ary lasa tamin’izany ny vola 2 hetsy sy ny entana rehetra tao an-trano. Saika misy fanafihana avokoa iny ambanivolo rehetra iny », hoy ny mponina iray avy any amin’ny distrikan’i Vatomandry nitatitra ny vaovao teto tamin’ny sabotsy lasa teo.
Fantatra hatrany fa tsy mifidy fotoana hanafihana ihany koa ireo olon-dratsy ireo na dia amin’ny atoandro aza. Mangataka, noho izany, ireo mponina any amin’iny toerana iny mba ho jerena sy hovahan’ny manam-pahefana sy ny mpitondra haingana izany tsy fandriam-pahalemana iainan’izy ireo izany.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







