Tsy fandriam-pahalemana – Miverina ny fitsaraham-bahoaka
Jiolahy miisa 2 no niharan’ny fitsaraham-bahoaka ny faran’ny herinandro teo. Teny aminy 67 ha no nisehoan’iray tamin’izany, ny zoma lasa teo, nandritra ny fanafihana tokan-trano nataona telo lahy, manodidina tamin’ny 9 ora alina. Araka ny vaovao voaray dia efa nahazo ny entan’ireo lasibatra izy ireo no nisy nahatsikaritra tampoka. Nandositra avy hatrany ny roa lahy raha vao afaka niantso vonjy ny tompon-trano fa ny iray kosa tsy tafahetsika. Nanaparan’ny mponina ny hatezeran’izy ireo ilay jiolahy vao natolotra ny polisy. Naratra mafy ilay mpangalatra.
Tahaka izany, ihany koa, ny nahazo ireo olon-dratsy nanafika tranon’olona, teny Andrefan’Ambohijanahary, ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina tany ho any. Andian-jiolahy maromaro no niditra an-tsokosoko tao an-toerana nefa naneno tampoka ny fanairana. Tafaporitsaka avokoa ny ankamaroan’ireo mpanafika, nefa nisy iray tavela ihany. Niakatra ny tamboho avy hatrany ity farany nikasa handositra ary efa tsy nieritreritra izay nasiana ny tongony kanjo rehefa nitsabikina dia tafalatsaka tamin’ny tsy tokony ho izy ka tapa-tongotra. Tsy afa-nihetsika intsony ka noraisim-potsiny izy ary nitambaran’ny mponina nanaovana fitsaram-bahoaka ihany koa.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







