Ny tompony aza tsy tia !
Nankalazaina omaly ny Andro iraisam-pirenena fitakiana ny fanamelohana ireo rehetra nanao herisetra tamin’ny mpanao gazety. Ho an’ny teto an-toerana dia toa somary nangingina ihany izany raha ny avy amin ‘ny fitondram-panjakana ary na nisy aza ny hetsika natao dia saika nitodika betsaka tamin’ny fitantarana ny nanjo ireo mpanao gazety vahiny fanta-daza. Tsy azo hadinoina sy odian-tsy hita anefa fa efa marobe ny mpanao gazety malagasy no maty amperin’asa ary nisy ihany koa ireo maty novonoin’ny tsy mataho-tody. Vao tsy ampy tapa-bolana akory izay no nisy mpanao sary hitatra maty voatsatoka antsy nefa natao tsinontsinona ary na dia fanambarana ofisialy ho fanamelohana izany aza tsy hita teny amin’ny fampahalalam-baovao. Tena mpanao gazety ny mpanao sary hitatra ary porofon’izany ireny raharaha “Charlie hebdo” ireny. Mpanao sary hitatra io gazety io ary izany no nanafihan’ny mpanao vy very ny ainy azy. Eto Madagasikara anefa dia natao tsinontsinona ny mpanao sary hitatra noho ny antony tsy dia mazava loatra.
Tranga iray ao anatin’ny maro iny saingy tsy hay ny tsy hanatsikafona azy satria maharary ny zava-mitranga eto amin’ity asa ity. Tsy sanatria hamoha fota-mandry na ihany koa hampitaha ny voina nitranga fa saika lasa raharaham-pirenena mihitsy teto Madagasikara ny fanamelohana ireo nahavanon-doza tamin’ny fanafihana ny Charlie Hebdo. Lasa “Je suis Charlie” avokoa ny anaran’ny malagasy rehetra tao anaty facebook. Tamin-dRamika nisy namono anefa tsy nisy nanao “Izaho no Ramika” na iray aza.
Fa maninona ny ain’ny malagasy izay miasa sy mikiry ho an’ny fampahafantarana ny zava-misy eto amin’ny firenena no atao tsinontsinona toy izany? Tranga iray ao anatin’ny maro iny fa tena mbola iharan’ny antsojay sy ny tsindry hazo lena maro ny mpanao gazety malagasy ary tandindomin-doza hatrany eo am-panatanterahana ny asa. Tsy vitsy ireo efa nahazo fandrahonana avy amin’ireo tsy maty voalavo an-kibo noho ny famoahana ny zava-misy marina.
Ny tena mamohehitra dia ireo olom-panjakana ambony heverina ho efa mivoatra ny-toe-tsainy ary sokajiana ho olo-mandroso no tena mirefarefa amin’ny tany. Ity gazety Madagascar Matin ity anisan’ny lohalaharana ka iharan’izany herisetra sy fampihorohoroana maro izany. Efa niaraha-nahita fa nisy mpanao gazety nogadrain’ny fitondrana HVM tato, taorian’izany dia efa nisy ihany koa ny hetraketraka sy fanimbana ny fitaovam-pitateran’ny orinasa. Efa nisy ihany koa solombavambahoaka vehivavy tsy tahotra tsy henatra nanimba ny fakan-tsarin’ity gazety ity. Efa nisy ihany koa fisamborana ny mpiasa teto izay teo am-panatanterahana ny asany tamin’ny fakana sary. Ny tena mahatsikaiky ary mahalasa saina aza dia ny fanaovan’ny tompon’andraikitra ambony iray ozona tamin’ny alalan’ny soratra Masina ao anaty Baiboly mba ho fampihorohoroana ny mpanao gazety eto amin’ny Madagascar Matin.
Tsy fitarainana ireo rehetra ireo na tati-bolana sanatria fa entina milaza sy hanaporofoana fa tsy mbola malalaka izany ny fanatanterahana ny asa fanaovan-gazety eto Madagsikara ary misy tsy an-kijanona ny fandrahonana ho faty sy ny asa fampihorohoroana isan-karazany mahazo ny mpanao gazety.
Tsy mbola mahazaka ny fametrahana ny fahalalahana maneho hevitra ny ankamaroan’ireo manam-pahefana malagasy, tsy ny mpitondra sy ny mpanao politika ihany izany fa na ny mpandraharaha sy ny avy amin’ny antokom-pivavahana samihafa ihany koa. Rehefa may anefa ny endim-boanjo any amin’izay misy azy avy any dia mihazakazaka sy mikoropaka miantso mpanao gazety.
Mivarotra aina ny mpanao gazety malagasy nefa ataon’ny sasany fitaovana fotsiny. Ny sata mifehy ny serasera eto amintsika aza lasa malaza tsy ihinanana toa lovian-tsahoana sy resa-be fotsiny fa tsy hita izay tena fanatanterahana azy. Fivoriana sy atrikasa no betsaka fa ny famadihana azy ho lalàna mihemotra lava toy ny lelon-jaza.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







