Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Ambatomirahavavy – Mpangalatra omby sy akoho saron’ny zandary

Jiolahy miisa 3 no saron’ny zandary ny faran’ny herinandro teo, tany Ambatomirahavavy. Roa tamin’izy ireo voasambotra, ny zoma 30 oktobra, tamin’ny 5 ora hariva, taorian’ny fampandrenesana voarain’ny mpitandro filaminana, mahakasika olona 2 mampiahiahy ao amin’ny fokontany Kianjamala, any an-toerana. Nidina teny an-toerana avy hatrany izy ireo, ary mbola tratra tamin’ireo jioalahy ny akoho miisa 7 izay vao nangalarina.

Ny sabotsy 31 oktobra kosa no voasambotra ny tovolahy iray izay nangalatra ny ombin’ny raibeny. Tamba-jotra avy aty an-drenivohitra no miara-miasa aminy, ary mbola karohina avokoa ireo namany amin’izao fotoana izao. Tamin’ny fanadihadiana natao azy vonoin’izy ireo ny omby rehefa azony ary ny nofony ihany no entina amidy aty Antananarivo.

Niaiky ny heloka vitany avokoa ireo jiolahy. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary dia efa mateti-pitranga eny amin’iny faritra Ambatomirahavavy ny tranga toy izao, fa izao vao sarona. Natolotra ny fitsarana any Arivonimamo omaly izy telo lahy.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre