Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Roalahy niady – Rovitra sofina ny iray, voatsatoka antsy ilay faharoa

Raikitra ny ady teo amin’ny lehilahy roa, teny Antanandrao, ny alin’ny alahady, tokony ho tamin’ny 8 ora. Izay fototra nahatonga ity ady ity tsy dia fantatra loatra fa araka ny vaovao voaray, mamomamo ny iray. Fa ny zavatra azo ambara aloha tsy nisy nivoaka maina tamin’io ady io izy roalahy ireo. Tsy nisy nanaiky lembenana ka samy nampiasa antsy, araka ny voalaza hatrany, izy roa tonta ary tsy nijanona raha tsy samy naratra.

Vokany, voatsatoka antsy teo amin’ny tratrany ny lehilahy iray, tokony ho 20 taona any ho any, raha toa ka rovitra kosa ny sofin’ny mpifanandrina taminy, izay 37 taona. Nentina haingana namonjy hopitaly izy ireo avy eo ka ny iray voa mafy teo amin’ny tratra nampidirina eny amin’ny Hjra ary ahiana ny fahasalamany. Ilay rovitra sofina kosa, eny amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka. Ahiana ihany koa ny fahasalamany satria tsy mitsahatra mandeha rà io sofiny io.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre