Toamasina – Jiolahy iray bory tanana voakapan’ny antsy lava
Mpijoko voajoko. Tranga hafa kely no niseho tao amin’ny tokantrano iray, tao Morafeno, any Toamasina, ny alin’ny sabotsy 31 oktobra lasa teo. Jiolahy iray no nokapain’ny tompon-trano ny antsy lava raha nikasa hiditra an-tsokosoko. Araka ny loharanom-baovao dia efa andro maromaro ireo mpamaky trano no nikasa hanapitsoka ny varavaran’ny lasibatra fa niala maina hatrany.
Nametraka paik’ady, noho izany, ny tompon-trano amandrihana ireo olon-dratsy. Ny alin’ny sabotsy io anefa dia niverenan’ireo jiolahy indray ilay toerana. Vao naheno ny figadonan’izy ireo ny lasibatra dia tsy niantso vonjy, tsy nampaneno kiririoka, tsy nikofokofoka fa tony tsara niandry ny fidiran’ny olon-dratsy. Navelan’izy ireo nanao ny fomba rehetra hahatafidiran’ireo mpamaky trano ka vantany vao nanitsaka ny tokonam-baravarana dia notsenain’ny raim-pianakaviana tamin’ny antsy lava. Voa teo amin’ny tanana ny iray ka bory tanteraka izany, ny ambiny kosa nandositra tahaka ny tsy teo.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







