Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Tratra nisoloky – Mandrahona hamono tena ilay tovolahy

Tovolahy iray mpanentana taloha tao amin’ny fahatalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra no mandrahona hamono tena rehefa tratra avokoa ny raharaha maizina nataony. Tsy tahotra tsy henatra fa ireo havany akaiky ihany no solokiana hakany vola be. Ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra, sarona ihany ny teti-dratsiny.

Araka ny vaovao voaray dia naka vola Ar 800 000 tany amin’ny fofom-badiny, izay mpisolo vava, ity lehilahy ity fa hoe marary ny reniny. Taty aoriana indray dia nataony fa ny rainy no tsy salama ka mila fanafody haingana. Mbola tsy nijanona teo fa ny anabaviny indray no nolazainy fa marary mafy ka tsy maintsy ampidirina hopitaly.

Rehefa notakian’io sakaizan’io amin’izay ilay vola notsaboina ireo fianakaviany tamin’iny herinandro iny, tany an-tranony, teny Mangasoavina dia tratra avokoa ny nafenina rehetra. Fantatra fa hevitra hakana vola be fotsiny izany fa tsy nisy marary izany akory ireo nolazaina tsy salama ireo. Fantatra koa fa tsy io olon-tiany io ihany no efa voany fa hatramin’ireo havany akaiky aza. Any amin’ireo indray izy milaza fa maty ny renin’ilay fofom-badiny ary maka vola any.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre