Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Nidiran-doza !

Mba te hanoratra zavatra tsara sy mahafinaritra ary mahavelom-panantenana ihany eto amin’ity bala ity saingy toa tsy misy izany eto Madagasikara raha ny tena zava-misy marina no jerena. Any amin’ny resaka rediredy sy nofinofy angamba sisa misy toerana ho an’ny fanantenana fa ho tafita ity firenena ity sy ny vahoaka maro an’isa ao aminy. Nofinofy izay nampanantenaina tamin’ny praopagandy fa hisy fiovana goavana raha lany ny kandida izay lasa mpitondra ankehitriny. Iza tokoa moa no tsy velom-bolo vao nitsangana ny Repoblika fahefatra fa hisy mirakla eto amin’ny firenena ary handroso be toy ny any Eoropa sy Amerika i Madagasikara ? Na ireo tsy nifidy sy mpanenjika aza dia samy mba niandry voka-tsoa mangingina tany am-pon’izy ireo tany. Tsy izay anefa no nitranga satria hatramin’ireo nanohana no diso fanantenana. Tsy fantatra intsony izay tena zava-misy marina eo amin’ny fitantanana ny firenena fa ny lojika dia zavatra roa ihany. Na i Madagasikara mihitsy no tsy mety ampandrosoana na ny mpitondra ankehitriny no tsy mahay. Anisan’ny tena olana goavana mampihemotra lava ity firenena ity rahateo ny tsy fahaiza-mihaino ny fitarainan’ny vahoaka sy ny tsy fanekena ho diso mihitsy. Raha vao misy raharaha tsy mandeha amin’ny laoniny na fampanantenana tsy tanteraka ka mitaky ny vahoaka dia fanazavana lava be no aroso. Izany hoe tsy miaiky mihitsy hoe nisy tsy nety ny fomba fiasa ka izay no tsy nahatanteraka ny fampanantenana dia tsy maintsy manilika ny rihitra any amin’ny hafa hatrany. Vokany: mahazo aina sy mahita lohahevitra lava be ny sekta ampitahorana ny vahoaka efa trotraky ny fahantrana fa akaiky ny farany ary efa fanambarana ho an’ny fara andro izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Tsy mamorona izy ireo rehefa mitanisa ny loza sesehena mianjady amin’i Madagasikara saingy kosa toa vao maika manao izay ampahalemy sy mampandohalika ny malagasy amin’ny alalan’ny fandemen-tsaina sy ny fandrebirebena maro isan-karazany.

Ny hany marina ambaran’ny sekta dia ny hoe tena nidiran-doza mihitsy ity firenena ity ankehitriny. Mamely avokoa ny karazana loza rehetra toy ny areti-mifindra, ny valala, ny fifamonoana, ny fahantrana, ary ny loza voajanahary maro samihafa. Mba manao izay ho afany amin’ny alalan’ny hetsika famongorana ny lefakozatra ihany ny mpitondra fa vao maika misy tranga vaovao hatrany tao anatin’ny fotoana fanaovana vaksiny faobe. Efa natao tery vay manta mihitsy ny vahoaka tsy maintsy hanao izany saingy tsy nahitam-bokany mazava ny hetsika. Ny antontan’isa entina hamalifaliana ireo mpamatsy vola vahiny ihany angamba no mba tena vokatra misongadina. Mandeha tsara ihany koa ny ady amin’ny pesta nefa tsy mitsaha-mitombo ny fiparitahan’io aretina io sy ny isan’ny olona matiny. Raha ireo roa ireo fotsiny no jerena dia tsy mahomby ny tetikady entina ametrahana fahasalamana tomombana ho an’ny vahoaka.

Tsy mifankaiza amin’izany, ihany koa, ny resaka tsy fandriampahalemana satria efa tena tonga amin’ny faratampon’ny loza mihatra ny zava-misy. Na mandeha eny an-dalana amin’ny andro atoandro aza maro ireo tsy sahy mitondra poketra intsony noho ny tahotra ho voaendaka sy ho voatsindrona antsy. Teo aloha dia ny firavaka sarobidy sy ny telefaonina no tsy sahin’ny olona entina eny an-dalana fa izao tena ny kitapo sy ny poketra mihitsy sao heverin’ireo jiolahy fa misy vola sy zavatra lafo vidy any anatin’ireny. Lasa mifamono ny malagasy ary tsy mahavita miaro ny vahoaka araka ny tokony ho izy ny mpitandro filaminana fa mahita fanazavana hatrany rehefa mitranga ny loza ka tsy voasambotra ireo jiolahy.

Santionany ny resaka areti-mifindra sy ny asan-jiolahy, tranga roa izay mahafaty olona betsaka, nefa azo sorohina fa marobe tsy voatanisa ny loza mitranga amin’ity firenena ity, vokatry ny tsy fahaiza-mitantana. Efa volana maromaro izao no fantatra fa misy mosary any Atsimo nefa tsy hita izay tena fandraisana andraikitra nataon’ny fitondram-panjakana. An-jatony tapitrisa ny vola nolaniana tamin’ny fihetsiketsehana toy ny fivoriana sy atrikasa ary saran-dalana entin’ny mpitondra mitety faritra. Raha nangonina anefa ireny vola ireny ka nividianana sakafo ho an’ireo tsy mihinan-kanina any Atsimo mety mba nisy fiantrakany tamin’ireo vahoaka ihany. Efa mirotsaka ihany koa izao ny orana ary manomboka rava sahady ny foto-drafitr’asa maro manerana ny Nosy. Raha ny zava-misy no jerena dia tsy hahatanty ny rano be atsy ho atsy ny tambazotra fanarian-drano ka ho tondra-drano ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Tena nidiran-doza mihitsy ny vahoaka malagasy!

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre