Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Toliara – Nirefotra ny basy, raim-pianakaviana voatifitra avy ao an-damosina

Nirefodrefotra ny basy ny alahady hariva teo, tao amin’ ny fokontany Andamboly, any Toliara. Andian-jiolahy nirongo basy mahery vaika no nanafika mpamongady. Teo am-panidiana ny tsena iny indrindra ilay mpivarotra no tonga masiaka ireo

olon-dratsy sady nanapoaka basy. Niparitaka avokoa ny olona tany an-toerana, ka teo am-pandosirina nivoaka ny trano fivarotana no voatifitra avy ao an-damosina ny lehilahy iray tompon’ny tsena, raha toa ka voatsatoka antsy teo amin’ny lohany ny rainy, izay nikasa hanohitra ireo jiolahy.

Tahotra ny ho faty dia natolotry ny tovovavy iray, zanaky ny tompon’ny tsena ny vola an-tapitrisa tao anaty sakaosy. Ramatoa iray no nikasa handositra raha vao avy nanome ilay vola ilay tovovavy fa narahin’ireo olon-dratsy avy aty aoriana ka nodarohan’izy ireo ary naratra ihany koa. Ankoatra ny vola be dia lasa ihany koa ny finday sy ny volamena teny amin’ireo lasibatra.

Nampandre ny mpitandro filaminana ny manodidina ka antsasakadiny aty aoriana vao nigadona ireto farany. Efa lasa lavitra kosa ireo jiolahy mpandroba.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre