Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Tontolon’ny fanabeazana – 1,5 tapitrisa ny ankizy tsy tafiditra an-tsekoly

Marary ny fanabeazana eto Madagasikara ary miainga avy ao amin’ny tokantrano izany satria misy ireo ray aman-dreny mametraka  ho laharana fahatelo ny fampianarana. Misy koa ireo manala ny zanany mianatra rehefa mahavita eny amin’ny ambaratonga fototra. Raha ny antontan’isa avy amin’ny Unicef dia mahatratra 1,5 tapitrisa ny ankizy tsy tafiditra mianatra tamin’ity taona 2015 ity.

« Tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny ray aman-dreny. Eo ihany koa ny fiaraha-monim-pirenena, izay tsy sahy miteny manoloana ireny trangan-javatra ireny. Olana iray ihany koa ny tetibola natokana ho an’ny fanabeazana izay ambany dia ambany ny tahany raha oharina amin’ny minisitera hafa. Tsy afa-miala ao anatin’izany ny tsy fanomezana kalitao ny lanjan’ny fanabeazana », raha ny fanambaran’i Rakotoarivony Huguette, mpandrindra nasionaly ny Conamept.

Mbola olan’ny  fanabeazana eto Madagasikara ny tsy fahampiana politika nasionaly. Manoloana izany indrindra dia nanatanteraka fikaonan-doham-pirenena ho an’ny fanabeazana, maharitra roa andro, ny Conamept, izay tohanan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, hanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ny tanjona. Ny firosoan’ny malagasy amin’ny tambajotra fanabeazana amin’ny faritra Afrika amin’ny alalan’ny ACFA mba hidirana lalina amin’izany tontolon’ny fanatsarana izany no anton’io atrikasa io. Anatin’izany ny fikarohana vahaolana maharitra manoloana ny fahosan’ny fampianarana eto Madagasikara.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre