« Maitso ririnina » – Natokana ho an’ny kolontsaina sy ny fialam-boly
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, ilay toerana fialam-boly « Maitso ririnina », eny amin’ny fokontany Ankaditapaka Avaratra. Toerana natokana ho an’ny kolontsaina sy ny fialam-boly ary kendrena hoan’ny tanora sy ny fianakaviana ary ireo eny amin’ny manodidina. « Maitso ririnina », izay ahitana toeram-pilalaovana « skate park », mirefy 800 metatra tora-droa, ny « espace vert » natokana ho an’ny ankizy kely izay mirefy 700 metatra tora-droa. Mbola ahitana trano lehibe ihany koa nantsoina hoe « forum junior », mety andraisana hetsika maromaro sy afaka hanaovana fampirantiana.
Nasiana toeram-pisakafoanana ihany koa ahafahanan’ireo olona tonga miala voly sy miala hetaheta. Misy kosa ny sarany hidirana ao amin’ity toeram-pialamboly ity fa napetraka amin’ny tsy miankina ny fandrindrana sy ny fitantanana izany. Raha tsiahivina dia dobo filomanasona teo aloha an’ny kaominina Antananarivo ity toerana ity izay tsy nihodina intsony ka nanapa-kevitra ny kaominina sy ny « Région île de France » namadika io toerana io ho toeram-pialamboly izao.
Vola mitentina 200 00 euros no nahafahana nanantanteraka ity foto-drafitr’asa ity ary mbola ampahany voalohany amin’ny asa ihany ity vita ity fa hanomboka tsy ho ela kosa ny fanamboarana ny foto-drafitr’asa iombonana sy ny maro hafa, eo akaiky eo ihany.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







