Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Mahajanga – Lavenona sisa ny tranon’ny sekretera jeneralin’ny faritra Boeny

Nitrangana haintrano tao amin’ny fokontany Mahajanga be, ao amin’ny sektera La Corniche, any Mahajanga, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata, tokony ho tamin’ny 9 ora. Trano fonenan’ny sekretera jeneralin’ny faritra Boeny ao anatin’ny biraom-paritry ny fiompiana amin’izao fotoana izao ity kila forehitra ity. Tsy fantatra ny niandohan’ny afo na avy tamin’ny “gaz” na noho ny fipoahan’ny herinaratra fa trano misy efitra 7 no indray nolalaovin’ny afo ary rava niaraka tamin’izany ihany koa ny entana rehetra. Fantatra ihany koa fa tsy tany an-toerana ingahy sekretera jeneralin’ny faritra sy ny fianakaviana tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza fa taty an-drenivohitra ka ny mpiambina ihany no tao ary afo efa nijoalajoala no nanaitra ity farany.

Naharitra adiny iray sy sasany ny famonoana ny afo ka tsy nisy afa-tsy seza « salon » sy « baffle » ary fahitalavitra lehibe iray no avotra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana any an-toerana.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre