Avy namangy fasana – Roa mianaka nitaingina môtô maty tsy tra-drano
Roa mianaka no maty tsy tra-drano ny andro voalohany ny volana novambra teo, tany Mahajanga. Telo mianaka izy ireo no teo ambony môtô avy namangy fasana ary niharan-doza. Vokany, maty teo no ho eo, ny lehilahy namily ilay kodiaran-droa sy ny zanany. Ny renin’ilay zaza kosa izay nipetraka tao aoriana torana tsy nahatsiaro tena. Niala sarety nandalo izy ireo ka nifatratra teo amin’ny sisin-dalana, araka ny loharanom-baovao.
Mpanamboatra môtô any an-toerana ilay raim-pianakaviana, araka ny fantatra hatrany ary kodiaran-droa an’olona izay namboarina ity nentiny ity. Natolotra ny fianakaviana ireo razana ary ilay ramatoa kosa mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly Androva. Hatramin’izao fotoana hanoratana izao, fantatra fa mbola tsy mahatsiaro tena ilay amatoa satria tafiditra ao anaty toromaso lalina (coma).
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







