COSPN – Mankalaza ny faha-25 taona nijoroany
Mankalaza ny tsingerin-taona faha-25 taona nijoroany ny Cospn na ny Club omnisport de la police nationale amin’ity taona 2015 ity. Mandritra ity volana novambra ity no hankalazana izany ka ny zoma izao no ho tanterahana eny amin’ny kianjaben’iMahamasina, ny fanokafana ofisialy izany, izay hifamotoana ny polisy rehetra. Hisy, noho izany, ny hazakazaka madinika hihazo ny foiben’ny polisim-pirenena Anosy, izay iarahan’izy ireo manao. Avy eo dia hisy ny kabary ifandimbiasana, aorian’izay ny fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo atleta nahavita be teo anivon’ny Cospn nandritra izay 25 taona izay sy fanolorana faneva ho an’ireo mpitantana ny klioba. Hetsika ara-panatanjahantena hifaninanan’ireo sampan-draharaha samihafa eo anivon’ny Polisim-pirenena no hiseho madritra ity volana novambra ity ka ho hita amin’izany ireo taranja rehetra misy eo anivon’ny Cospn toy ny baolina kitra, basket-ball, fibatana fonjam-by, hazakazaka. Ny 28 novambra 2015 mandritra ny famaranana ny lalao baolina kitra eny amin’ny kianjan’Alarobia no atao ny lanonam-pamaranana.
Nangonin’i L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







