Rn44 -Lasan’ny mpanakan-dalana ny vola 3 tapitrisa ariary
Raha tora-bato sy fangalarana entana eny ambony fiara no malaza amin’ny lalam-pirenena Rn44 hatramin’izay, tamin’ity indray mitoraka ity, nitrangana fanafihana fiara indray iny lalana iny. Vatan-dehilahy miisa 3 nirongo basy no nanakana fiara iray, tao Ambohidava, ny alin’ny 3 novambra lasa teo. Nanararaotra ny faharatsian’ny lalana ireo jiolahy, indrindra amin’izao fotoanan’ny orana izao.
Nanapoaka basy avy hatrany ireto olon-dratsy ampihorohoroana ireo mpandeha. Lasan’ny ireo olon-dratsy tamin’izany ny volan’ireo mpandeha mitentina Ar 3 000 000. Vehivavy iray ihany koa no naratra mafy nodarahan’izy ireo tamin’ny vodibasy. Nanao taim-bava tamin’ireto mpanafika no fantatra fa nahatonga izany fahavoazany izany.
Mihoron-koditra tanteraka ireo mpampiasa ity lalam-pirenena ity amin’izao fotoana izao ary manaitra ireo tompon’andraikitra rehetra mba hijery akaiky ny tsy fandriampahalemana izay tena goragora, araka ny loharanom-baovao. Nampandrenesana ny zava-misy ny mpitandro filamina ary efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny zandary any an-toerana hikarohana ireo jiolahy ireo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







